Politique

Imerintsiatosika Hametraka PDS ny FAT, tsy manaiky ny vahoaka


  • Talata 14 Desambra 2010

Efa ho herinandro teo izao no nandeha ny feo fa dia ho avy hametraka delegasiona manokana hitantana ny Kaominina Imerintsiatosika, distrika Arivonimamo ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Araka ny fantatra dia ny 03 novambra 2010 no efa voasonia ny didim-pitondrana manendry io delegasiona manokana io, ary omaly alatsinainy 13 desambra no tokony hametrahana amin’ny toerana azy io. Mitsivalana ny amin’ny hanatanterahana izany anefa ny vahoaka ao amin’ity Kaominina ity. Tsy resy lahatra ny amin’ny hametrahana delegasiona manokana ihany koa ny eo anivon’ny filankevitry ny tanàna, izay mihevitra fa azo atao ny mandefa mpanara-maso ny fitantanana eo anivon’ny Kaominina raha misy zavatra ahiahiana mikasika izany, fa raha ny fanoloana avy hatrany ny ben’ny tanàna ka hametrahana PDS dia tsy amin’ny fotoanany. Marihina fa nindaosin’ny fahafatesana ny Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ity Kaominina Imerintsiatosika ity. Noho izay fahabangan-toerana izay dia ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna no mandray sy ny manohy ny asany, manapitra ny taom-piasana.

Nisy rahateo ny naoty navoakan’ny distrika Arivonimamo manamafy izany andraikitra izany, araka ny voatondron’ny lalàna rahateo. Ny 27 oktobra 2010 no nivoahan’io naoty io. Gaga anefa rehetra raha nandre fa misy indray didim-pitondrana nivoaka ny 03 novambra 2010 mametraka delegasiona manokana. Araka ny fantatra dia miteraka tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fitondrana foibe sy ny eny anivon’ny Faritra Itasy sy ny Distrika Arivonimamo ity raharaha ity. Raha ny zava-nisy omaly dia efa niandriandry izay mety hiseho ny mponina teny an-toerana. Imerintsiatosika izay raha ny fahafantarana azy dia tsy hoe maditra olona fa hentitra amin’ny rariny ananany.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT