Hita tato ho ato fa tena miharatsy ny tontolo politika eto Madagasikara. Taorian`ny fanapahan-kevitra navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny Loholona Fernand Jeannot, avy amin`ny antoko TIM,
izay nikasa hirotsaka ho kandidà depiote amin`ny anaran`ny IRD dia maro ireo tsikera ny fanaovana politika eto amintsika. Angatahina, hoy Imbiky Herilaza, ny fampiharana tsy misy fepetra ny and. faha-72 amin`ny lalàmpanorenana eo anivon`ny antenimieram-pirenena. Io andininy io izay milaza mazava fa tsy azon’ireo depiote atao no miovaova antoko na vondron’antoko politika hafa rehefa tonga eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Araka izany, io no ahafahana manana fomba fiasa madio sy mangarahara tsy hisian`ny malety na fironan-kevitra hafa. Zava-dehibe andraindraina amin`ity antenimieram-pirenena ity. Nohamafisiny ihany koa ny fametrahana ny lehiben`ny mpanohitra ihany koa, izay mahazo toerana filoha lefitra eo amin`ny Antenimieram-pirenena, mba ho politika mazava amin`izay no atao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.