Taorian`ireny fanambarana sesilany niainga tamin`ny tatitra navoakan`ny CENI ny herinandro lasa teo dia voakasika tamin`izany ny fifidianana filoham-pirenena.
Iza no tompon’andraikitra ? Inona no mety ho fiantraikany amin`ny fiainam-pirenena ? Nitondra ny heviny ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny fitsarana, Imbiki Herilaza, taminà onjam-peo iray ka nilazany fa raha lisitra nanaovana fifidianana 2018 dia tamin`ny faran`ny desambra 2017 ka nifarana tamin`ny mey 2018 ny fanavaozana ny lisitra. Iaraha-mahafantatra fa ny fitondram-panjakana teo aloha ary nisy fifangaroan’andraikitra teo amin`ny praiminisitra sy ny minisitry ny atitany tamin`izany. Raha nisy ninia nanao izany na nanao fahadisoana dia talohan`ny fandraisan`ny fitondram-panjakana ny fitantanana ny taona 2019 na ny fandraisan`ny praiminisitra ny governemanta tamin`ny fiaraha-mitantana ny volana jona 2018, hoy izy. Nahoana no tsy nahafahana nahita ireo laharana mitovy ireo nandritra ny fifidianana ? Naninona rehefa nitsirika ny OIF dia nilaza fotsiny izy fa 4000 mahery kely no nahitana tsy fahatomombanana tao anaty lisitra kanefa azo hidirana soa aman-tsara ny fifidianana, hoy hatrany Imbiki Herilaza. Nisy ireo antoko politika nitaky ny fanafoanana ny fifidianana teto Madagasikara. Nanambara ity mpahay lalàna ity fa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna lah. 2018-008 mahakasika ny fifidianana dia amin`ny ankapobeny ary ny didy hitsivolana mahakasika ny HCC tamin`ny taona 2021 dia mazava tsara. Efa nandeha ny fe-potoana rehetra nomena tamin`ireo olona omen`ny lalàna fa afaka mitory ny tsy fahatomombanana ny fifidianana dia nanao izany teo amin`ny HCC. Namoaka ny didy tsy azo hivalozana izay mitondra ny vokatra ofisialin`ny voka-pifidianana filoham-pirenena. Raha ny lalàmpanorenana dia tsy azo foanana ny fifidianana fa efa mipetraka ny olona lanim-bahoaka ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.