Politique

Imbiki Herilaza “Tokony takiana hatramin` ny farany ny Iles Eparses”


  • Alarobia 27 Mey 2020

“Ny lalàna iraisam-pirenena, hita taratra tamin` ny fanapahana navoakan` ny Firenena Mikambana tamin` izany fotoana izany, tamin` ny alalan` ny “resolution”

 

 

no efa milaza fa tsy maintsyn averina amin` ny firenena Malagasy ny fiandrianany amin` ireo nosy kely Malagasy any amin` ny ranomasimbe indianina” hoy Imbiki Herilaza, mpahay lalàna manoloana ny fitakiana ny nosy Eparses. Na efa nisy aza ireo dingana vita, hoy izy, teo amin`ny firenena roa tonta dia tsy nanakana ny frantsay no namoaka volavolana didim-panjakana taorian` iny fanambaran`ny Filoha Rajoelina iny ary misy amin` izao fakan-kevitra faobe (consultation publique) hatramin`ny 01 jona izao mahakasika izany. Nomarihany hatrany fa na dia eo aza izany didim-panjakana izany dia io lalàna iraisam-pirenena io ihany no manankery ary tsy tokony hentina amin` ny tanjaka ara-politika sy ara-toekarena ny fampiharana lalàna iraisam-pirenena tahaka itony ka tsy maintsy manaraka izany ny firenena rehetra. Noho izany, tsy manan-kery ny didim-panjakana navoakan` ny frantsay ka tokony hotakiana hatramin` ny farany ny vahaolana naroson` ny Firenena Mikambana. Miantso ny firaisan-kinan` ny Malagasy izy ary midera ny efa nasehon` ny Antenimieram-pirenena farany teo mba hamporisika hatrany ny fahefana mpanatanteraka hanohy ny fitakiana dipalomatika ireo nosy Malagasy ireo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT