Politique

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”


  • Zoma 21 Febroary 2020

Ny atao hoe fitsinjaram-pahefana mahefa dia fahefana ara-politika, ara-pitantanana ary ara-bola.

 

 

 

 Mila tsinjaraina amin’ireny faritra ireny, araka izany, ny fahefana, hoy Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny fitsarana. Raha ny heviny dia any amin`ny rafitra ifotony no miainga ny fitsinjaram-pahefana. Omena fahefana ny fokontany ka any amin`ny  antanan-tohatra maro samihafa no miakatra dia mandeha eny amin’ny kaominina, faritra , faritany… Raha tamin’ny repoblika fafaharoa dia nisy ny fokontany, firaisam-pokontany, fivondronam-pokontany, faritany ka tsy tokony hatao an-tsoratra fotsiny. Eo amin`ny fitantanana ara-bola dia tsy tokony hiakatra any amin’ny fanjakana foibe ny vola rehetra kanefa izay no zava-misy. Ny vola rehetra miakatra any amin’ny fanjakana dia avy eo ity farany no mitsinjara azy. Eo amin’ny fitsinjarana anefa no miteraka olana, hoy Imbiki Herilaza, satria lasa mitongilana. Tsy mety izany hoe misy “subvention exceptionnelle” izany kanefa tokony hitovy ny rehetra. Nomarihany fa tokony hisy fahefana mitsinjara eny amin’ny fokontany, faritra… fa ny fanjakana foibe kosa no manara-maso ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana. Mivangongo loatra eo amin’ny fanjakana foibe ny fahefana rehetra dia lasa toy ny tsy ampy ny fampandrosoana haparitaka, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT