Iles Eparses
Miditra an-tsehatra diplaomasia parlemantera
x ny amin'ny hametrahana ny nosy Glorieuses ho valanjavaboaharim-pirenena dia nanambara ny filohan` ny Antenimieram-pirenena fa “minia mandray fanapahan-kevitra azy manokana na décision unilatérale ,tsy niaraha nidinika tamin'ny fitondram-panjakana Malagasy ny frantsay raha manao izany. Tsy hanaiky mora foana izany anefa ny mpitondra tenin'ny vahoaka izay solon'ny solombavambahoaka tena.”. Raha tsiahivina dia efa nisy didim-panjakana noraisin` ny fanjakana frantsay mahakasika ireo nosy ireo ary nolaniana ihany koa tao anivon` ny parlemanta frantsay izany. Raha ny fizotran` ny raharaha dia miroso amin` ny diplaomasia parlemantera ny fifampiresahana. Azon` ny parlemantera Malagasy atao amin` ny alalan` ny birao maharitra no mandefa taratasy any amin` ny parlemanta frantsay na hatramin` ireo parlemanta “francophone”. Andrasana izay ho paikadin` ireo depiote raha hisy tolon-dalàna arosony. Hatreto aloha dia tsy mbola misy daty mazava ny amin'ny fifampidinihana faharoa voatondro fa tokony hatao any Frantsa. Nanova zavatra maro ihany koa moa ny fisian'ny valanaretina Coronavirus maneran-tany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.