Ireo ankizy notsongaina afaka niresaka sy nametraka fanontaniana tamin’ny Filoha no nasehon’i Andry Rajoelina ny mombamomba ny asany andavanandro,
ny tontolon’ny lapam-panjakana eny Iavoloha sy ilay fiara tsy laitram-bala mpitondra azy.Hita ho tena nahaliana ny ankizy ary mety tsy ny ankizy ihany fa ny rehetra mihitsy izany hoe afaka mijery akaiky ny fiarana Filoham-pirenena izany, izay tsy tahaka ny fiara rehetra.Nijery ny ivelany sy ny anatiny ireo ankizy ary dia ny filoham-pirenena moa no nanazava teo.Tsara ho marihina fa fiara vita Amerikanina marika Cadillac Escalade V8, 6.2 litres, manana tanjaka 426 CV izy ity. Manodidina ny 100 000 Euros (400 000 000Ar) ny vidiny iaingana amin’izy io. Hafa mihitsy anefa ny mbola fikirakirana azy ireny ho tsy laitram-bala, izay 500 000 hatramin’ny 1 500 000 Euros, satria orinasa manokana mihitsy no miandraikitra an’io. Raha raisina ho 1 000 000 Euros, ohatra, ny manao an’izay dia mety mahatratra 4,4 miliara ariary ny vidin’ny fiara izany. Sokajian’ny gazetiboky Forbes ho anisan’ireo fiara raitra sy lafo vidy indrindra eto ambonin’ny tany ny Cadillac.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.