Fifanomezan-tanana ho amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena no tokony ho vaindohan-draharahan’ny mpanao politika, hoy ny mpandrindra ny fikambanana HVM Ambatondrazaka, Rabeony Day.
Nivoitra izany nandritra ny lanonana fankasitrahana ireo solontenan’ny komity fampandaniana ny filoha Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny Kaominina roapolo mandrafitra ny Distrikan’Ambatondrazaka. Hovaina amin’izay ilay fomba fanaovana politika eto amintsika hoe : rehefa tsy lany dia fahavalo, hoy izy. Fanarenana ny toekarena izay potika dia tsy vitan’ny olon-drery fa ilana ny firaisankinan’ny rehetra. Tsy tokony haverina intsony ny zavatra tsy nety tany aloha fa aleo ilay tena asa ho fampandrosoana ny faritra, hoy izy no banjinina fa tsy ho lany andro hifanenjika indray. Santatra ambavarano ihany io fankasitrahana ny komity mpanohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny faran’ny herinandro teo io, fa aorian’ny lanonana fametrahana ireo solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka dia fantatra fa hanasa ny sokajin’olona rehetra ny fikambanana Hery Vaovao ho an’i Madagasikara any Ambatondrazaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.