HPM

> Ny fifampiresahana no vahaolana


  • Alakamisy 27 Febroary 2014

Efa tena lasa ady an-trano sy fankahalana olona tanteraka ny raharaham-politika amin’izao fotoana, satria dia olona roa lehibe no mifanenjana ka lasa ny vahoaka madinika no mahita faisana.

“Na dia tokony hanana ny rariny aza ny filohan’ny tetezamita dia lasa diso avy hatrany izy noho ireny fihantsiana nataony ireny”, hoy i Robert Razaka. Tsy mbola afaka ny hilaza fa efa an-dalana hialana amin’ny krizy amin’izao ny firenena, toa vao mainka aza manampy trotraka ny fahasahiranan’ny vahoaka madinika ny fifandirana sy ny adilahy politika ataon’ireto tompon’andraikitra ireto. “Tsy nahatanty ireny fihantsiana sy fanalam-baraka izay nitranga tetsy amin’ny Carlton farany teo ny avy ao amin’ny HPM na ny (Hery Politika Mitambatra) koa sarotra ho anay ny tsy hiteny manoloana izao zava-misy izao”, nanambara izany ireto vondrona ireto raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly maraina tetsy Tsimbazaza. Nanamafy ny avy ao amin’ny HPM fa ny fampihavanana no tena himasoan’izy ireo ary izay indrindra no tanjona, hoy hatrany i Robert Razaka mpitondrateny. Tsy vitan’ny sandry sy ny vava ary ny fifampihantsiana amin’ny haino amanjery fotsiny ny famahana ny toe-draharaha politika. “Ny fifampiresahana no tena zava-dehibe, ary mba hitondra any amin’ny fampihavanam-pirenena izany dia ilaina ireo olona ireo hitady marimaritra iraisana mba tsy hanaovana sorona ny vahoaka”, manamafy i Robert Razaka.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT