Politique

Hotely Colbert Feno mpitsikilo, mailo ny ankolafy Zafy Albert


  • Alakamisy 20 Janoary 2011

Tsy nety nanatontosa ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny SADC, ny Dr Simao, tao amin’ny hotely Colbert etsy Antaninarenina ny ankolafy Zafy Albert.

Ny antony dia tsotra ihany, mailo izy ireo noho ny fisian’ny mpitsikilo ao amin’io toerana io. Nolazain’izy ireo rahateo fa feno “caméra de surveillance” sy «micro-caché» ao an-toerana. Vokatr’izany dia voatery nafindra toerana ny dinidinika ka natao tetsy Andraharo, teo amin’ny biraon’ny PNUD. Raha ny fantatra tokoa dia maro ny tompon’andraikitry ny fitondrana tetezamita no mifamezivezy ao amin’io toerana ao Antaninarenina io. Voalohany amin’izany i Alain Ramaroson izay voalaza fa manana ny biraony ao mihitsy.

Mivory matetika ao ihany koa ny ministra sasany ary manana ny olona mijanonjanona ao mandra-piandry fotoana sy mifanerasera “bizna”. Ankoatr’izay dia anisan’ny niandohan’ny ahiahy ihany koa ny nisian’ny fanafihan’ny olon’ny FIS an’i Isaac Mamojisoa teny an-toerana. Voarakitra horonan-tsary avokoa ny fandehan’ny fandrobana ary hita hatramin’ny tarehin’ireo mpanafika. Rariny loatra raha nandà ny fihaonana ao amin’io toerana izay heverina fa efa tokotanin’ny tetezamita io ny ankolafy Zafy Albert… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT