Politique

Hosoka tamin’ny fifidianana Tsy hipetra-potsiny ny TIM


  • Zoma 31 Mey 2019

Haingana be ny tatitry ny SADC satria isika mbola ao anatin’ny fanangonana valim-pifidianana kanefa amin’ny vanim-potoana tahaka izao no tena miseho ny tsy fahatomombanana.

 

 

 

Anisan’izany, ohatra, ny zava-misy any Mandoto, izay fitanana an-tsoratra diso no tonga eny amin’ny SRMV tsy mitovy amin’ny tena izy avy amin’ny Birao fandatsaham-bato, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Ramalason Olga ny alarobia teo. Mitarika anefa ny TIM ao anatin’ilay distrika kanefa miova ny vokatra ka ny olona tsy voafidim-bahoaka indray no mety hisolotena azy eny amin’ny antenimiera, izay tsy azo ekena, hoy izy. Mahakasika ilay tenin’ny filoha tany Lafrantsa kosa dia mampanontany tena hoe: vao omaly no nahavita ny fifidianana kanefa dia efa miteny fa mahazo toerana 90. Tany amin’ny propagandy dia efa maro ny kandida no nilaza fa na inona na inona atao dia izy ireo no mandresy satria miaraka amin’ny fanjakana ka ho reraka fotsiny ny hafa, hoy ity loholona ity. Nohamafisin’ny filoha ilay izy avy eo. Eo am-pamolavolana ny fitoriana samihafa manoloana ny hosoka sy tsy fahatomombanana ny TIM ankehitriny, ary efa miasa ireo mpahay lalàna ao amin’izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT