Politique

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory


  • Zoma 14 Jona 2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

 Nahitana ny kandidan’ny Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny tsy miankina. Nihazo ny Live Hotel Andavamamba  nanatanteraka valan-dresaka lehibe izy ireo avy eo, ka tao anatin’izany no nampahafahantarana ny fisian’ny “Collectifs des candidats”, mamondron-kery manohitra izay hosoka sy tsy fanarahan-dalàna izay nisy. Toerana maro no nahitana izany, toy ny tany Toamasina, Ambalavao Tsienimparihy, Mahajanga I, Analalava, Farafangana,… Navoaka ny ampahany amin’ny porofo, dia ny horonantsary maneho ny mpiasam-panjakana, toy ny lehiben’ny CISCO manohana sy mampandany kandidam-panjakana dia ny IRD. Teo ihany koa ny propagandy an-kolaka tamin’ny kabary nataon’ny filoha, toy ny tany Vohilengo, Soanierana Ivongo nampifidy ny kandidany satria ireo no afaka miara-miasa aminy ka tokony hofidiana,… Nitondra ny heviny ihany koa ny teo anivon’ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRamiarondrabehajason avy amin’ny FMTF, ka isan’ny nasiany resaka ny momba kara-pifidianana, fampiasana ny anaran’ny filoham-pirenena,… Nitondra soso-kevitra samihafa, toy ny fikirakirana ny bileta tokana miainga amin’ny fanontana, fanamarinana izany na ny nampiasaina na tsia,… Ny HCC no tompon’ny teny farany ka ho hita eo ny tohiny.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT