Politique

Hosoka sy hala-bato Hisy ampamoaka goavana anio eny Andavamamba


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Hisy ny adihevitra lehibe iarahan’ny kandida tsy miankina sy ny mpanara-maso ny fifidianana anio alakamisy 13 jona eny amin’ny Live Hotel Andavamanba.

 

 

 

Anisan’ny havoitra ny ampamoaka momba ny porofo sy hala-bato tamin’iny fifidianana iny. Mety hiendrika fanairana sy fanaporofoana ny tsy fetezana samihafa momba ny fifidianana tsy tokony hataon’ny tompon’andraikitra mahefa dia ny HCC sy ny CENI ambanin-javatra izany io. Anio ihany koa anefa no hanao valandresaka momba ny fifidianana ny CENI, izay nilaza fa ny 15 jona izao no hamoaka ny valiny vonjimaika ofisialy. Ny HCC kosa efa somary nanipy teny fa tsy hanaiky teritery na tsindritsindry. Fanapahan-kevitra tsy tena araka ny lalàna fa miankina amin’ny tsio-drivotra ara-politika ny fifanolanana ara-pifidianana sy ny valiny eto, raha dinihina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Anio maraina ihany koa no fantatra fa hanatitra eny amin’ny HCC Ambohidahy ny andiany voalohany amin’ireo fitarainana noho  ny hala-bato tamin’ny fifidianana depiote farany teo ny TIM sy kandida tsy miankina maromaro. Manaporofo ny tsy fahatokisana ny fahadiovan’ny fifidianana ny zava-misy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT