Tao amin’ny Lycée Faravohitra i Marc Ravalomanana omaly maraina no nandatsa-bato. Zava-dehibe eo amin’ny firenena ny manefa ny adidy amin’ny maha olom-pirenena.
Zava-dehibe ny fananana zo hifidy ary tena ilaina ny manatanteraka azy satria izay no hahafantarana fa olom-pirenena mahafantatra ny zo sy andraikitra izay misy anao, hoy I Marc Ravalomanana. Ny olona rehetra, ny vahoaka rehetra no tompon’ny fahefana, fa izay lany eo dia mpindrana ao anatin’ny fotoana voafetra. Antenaina ny fanovana tanteraka ny hasin’ny antenimieram-pirenena, ary mino sy manantena aho fa hahatsapa daholo ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ireo depiote ho voafidy mba handray anjara sy handray andraikitra, ary mba tena ny safidim-bahoaka marina no nahalany azy teo. Asa an-kitsim-po sy am-pitiavana no andraindraina, fa tsy hijery ny tenany manokana fa tena hiasa tsara ho an’ny vahoaka sy hanao tolo-dalàna hanasoavana azy. Tsy vitan’ny hoe: nifidy dia vita hatreo, fa niarahantsika Malagasy nahita tsara ny zava-nisy tamin’ireny fifidianana filoha ireny. Izay tena nisy tokoa ny fanovana sy fanodinkodinana vato, raha ny nambarany, izay antony tsy namparisika ny olona. Maro, hoy izy, ny olona miteny hoe mbola ilaina ihany ve ny fifidianana satria efa ireny ny zava-nitranga. Tsy maintsy mitraka sy mijoro foana isika maneho ny maha olom-pirenena, hoy izy raha nanentana ny olona hifidy sy sy ho mailo ary hanara-maso ny vato. Zava-dehibe ny fifidianana manakaiky vahoaka, ary tokony ho mailo. Raha misy hita iny dia alaivo sary, ary atao ny fitanana an-tsoratra, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.