Politique

Hosoka ara-pifidianana Tsy marin-toerana intsony ny fanjakana


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Misy lanjany lehibe ara-politika eto amin’ny firenena ny fibabohana nataon’ny CENI fa tena nisy ny laharan-kara-panondrom-pirenena mitovy 1 162 512 nampiasain'olona sy anarana niverin-droa na « doublons »110 629.

 Nandeha ny fitoriana samihafa tamin’ny fifidianana, ary voaresaka ireo kara-panondro marobe nampiahiahy, ny lisi-pifidianana feno zavatra tsy manjary, saingy azo raisina fa tsy nitombina no setriny. Io anefa fa nibaradaka ny CENI. Mifoha ny fota-mandry, izay toa maneho fa tena feno hosoka ny fifidianana natao teto. Ny olona efa nilaza mialoha fa tsy milamina ny lisitra, tratra ny CIN marobe mampiahiahy, teo ny tsy ampy taona nahazo CIN, vita fifidianana nametraka fitarainana sy fitoriana ny olona fa dia hoe tsy mitombina noho ny resaka « fond » na votoatiny. Izao ndray dia hoe misy « doublon CIN » 1 tapitrisa mahery. Ny desambra 2018 dia efa nilaza Andriamboavonjy Jean-Angelson, Talen’ny trano printim-pirenena teo aloha, fa misy CIN hosoka marobe mandehandeha any rehetra any ka manahy izy ndrao hisy fiantraikany amin'ny fifidianana izany. Vokatr’io dia nalàna teo amin'ny toerany izy, andro vitsy monja taorian'io resaka nataony tamin'ny mpanao gazety io. Nangina ny rehetra ! Nahoana ny CENI no izao vao miaiky ? Midika io fa tsy marin-toerana sy mitsingevaheva ny fahefan’ny filoha Rajoelina izay nambara fa nandresy tamin’ny isa 2 586 938 manome 55,66% ny tamin’ny fifidianana filoha, raha toa ka 2 060 847 manome 44,34% ny an’i Marc Ravalomanana. Manome 526091 ny elanelan’isa, ka raha nanaovana hosoka tokoa no anton’ireo anarana miverin-droa sy ny kara-panondro, dia miharihary fa lalao maloto no nahalany ny filoha Rajoelina. Mbola resaka ny taham-pandraisana anjara nihoatra ny 100% tany amin’ny faritra sasany niniana nikipiana. Mbola resaka hafa ny tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, izay mbola misy ireo raharaha any amin’ny filankevi-panjakana. Tsy marin-toerana intsony ny fanjakana ankehitriny. Tsy azo antenaina ny hisian’ny fitokisana. Vao ny 26 febroary teo i Marc Ravalomanana no nilaza fa “stabilité forcé” no natao teto tamin’ny karazana tery setra tamin’ny fifidianana hanamafisana ny fahamarinan-toerana ara-politikan’ny mpitondra ankehitriny. Tsy marin-toerana intsony ny fahefam-panjakana, ary tsy misy fifidianana azo atao intsony eto, raha izao endri-javatra izao. Raha nisy ny fandeferana ara-politika teo aloha, dia ahiana ny hisian’ny fipoahan-javatra. Tsy hisy mpamatsy vola hahatoky antsika ka hanome vola hanatanterahana ny PEM (Plan Emergence Madagascar) mitentina 35 miliara dolara izany noho ny ahiahy maro.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT