“Hitantsika ny zava-misy amin`izao. Manao fanoherana bontolo fotsiny ny antoko HVM syTIM”,
hoy i Honoré Rasolonjatovo, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena. Manoloana ny fikononkonana fivoriana etsy eroa dia manabaribary fitiavan-tseza ireo antoko ireo ataon`ny antoko HVM sy TIM entina manambara fa tsy manara-dalàna ny fitondrana ankehitriny. Tsy manana hery vaovao ireo fa mikendry hanakorontana sy hisolo toerana fotsiny, hoy izy. Tsy mahagaga izany satria hitako ihany ny maha mamy ny toerana. Nisy fotoana no tsy nahavoafidy ahy solombavambahoaka tamin`ny taona 2007 ka tsapako mafy ihany ilay hoe mieritreritra ho lany kanefa tsy lany. Tratran`izay ireo mpitondra taloha ireo, hoy ity depiote voafidy tany Faratsiho ity. Zavatra iray ihany no tenenin`ny TIM sy HVM dia ny hoe “mialà ianareo amin`ny fitondrana fa izahay no tokony ho eo”, hoy hatrany fanazavana. Etsy an-daniny, tokony hanao izay ho heriny ny fitondrana amin`ny hanarenana ity fiainan`ny Malagasy amin`ny ankapobeny, hoy hatrany ny fanazavana. Somary mahavariana ihany ny filazana fa fanoherana bontolo no misy eto amintsika. Manana tanjona ireo antoko politika mpanohitra mba ahafahan`ny fitondram-panjakana manitsy ny hataony. Manana finiavana hanao politika, araka ny lalàna repoblikanina, ny mpanao politika amin`izao fotoana izao. Ny zava-misy dia ny mpanohitra mahalala ny andraikiny fa tsy milalao ao anatin`ilay kianja mpanohitra hanao fanonganam-panjakana intsony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.