Politique

Honoré Rakotomanana “Tsy hisotro ronono amin’ny fanaovana politika aho”


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Nitondra ny heviny mahakasika ny firafitrin` ny Antenimierandoholona vaovao

 

 

 

ny filohan` ity andrimpanjakana teo aloha ity, Honoré Rakotomanana. Notsindriany teny am-boalohany aloha fa mila havaozina ny fitsipika anatiny mifehy ny loholona noho ny isan` ireo parlemantera. “Mety hampitomboina ny “assistant parlementaire” sy ireo “satellite” any amin` vondrom-bahoakam-paritra. Ireo no hitety ireo vondrom-pahefana samihafa sy hisolotena ny loholona. Nandritra ny fitantanako dia nahavita nitsidika azy ireny satria ilaina izany.” hoy izy. Mahakasika ireo loholona vaovao dia mino izy fa tsy ho “passoire” ny Antenimierandoholona satria dia samy manana traikefa izy ireo ary misy amin`izy ireo no fantany akaiky. Momba ireo loholona notendren` ny Filoham-pirenena dia “mifameno tsara izy ireo. Ireo mpanao lalàna dia mandamina ny lafiny lalàna ary ireo mpanao politika ny politika” hoy ity mpitsara ity. Namafisiny hatrany fa ny Antenimierandoholona dia andrimpanjakana miantoka ny fisaraham-pahefana. Ny Antenimierandoholona dia miantoka ny mampitombina ny ara-politika, izany hoe hahamarin-toerana ny politika ny Antenimierandoholona. Notsipihany manokana fa raha misy disadisa dia tokony hahitsy amin`ny lalàmpanorenana izany. Raha mila torohevitra ny Filoham-pirenena amin`ny fanovàna lalàmpanroenana dia vonona ny tenany. “Io efa nomatimatesako hatramin`izay ary nitetezako an` izao tontolo izao. Efa nanaovana fampitahana n`aiza n`aiza tany ivelany ny lalàmpanorenana ampiasaintsika”. Araka izany dia tsy manaiky hisotro ronono eo amin`ny lafiny politika ity filohan` ny Antenimierandoholona teo aloha ity ary hentitra no nilazàny fa “raha misy maka hevitra amiko momba ny lafiny lalàmpanorenana sy lalàna dia tsy ho retraite izany. Ho an`ireo miasa ara-tsaina ka raha vao misotro ronono dia miboretaka fotsiny ka mila ampiasaina ny “matière grise”. Ny fanompoana firenena dia tahon-jezika an-kady ka aina no fetra ka raha mbola manana ny azo omena dia ho ela velona”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT