Ao anatin` ity fivoriana ara-potoana faharoa eny anivon` ny Antenimiera roa
tonta dia anisan` ireo hodinihana ny mahakasika ireo fitoriana tompon`andraikim-panjakana teo aloha izay voarohirohy amin` ny raharaha samihafa toy ny fanodikodinam-bolam-panjakana … nandritra ny naha minisitra azy ireo. Amin` izao fotoana dia inian` ireo mpanao politika sasany afantoka amin` ny resaka valifaty politika ny fampiharana lalàna izay hametrahana tany tan-dalàna. Tsara no manamarika fa “fitsarana politika ny Fitsarana avo (HCJ) ka mazava ho azy raha mpanao politika no henjehina eny amin` ity fitsarana ity fa tsy voatery ho valifaty akory, hoy i Honoré Rakotomanana, loholona no sady mpahay lalàna ary efa filohan’ny HCC teo aloha. Andraikitra efa napetraky ny lalàna izany ary tsy maintsy hajaina. “Any Etazonia ohatra dia tsy maintsy mandalo “chambre des représentants » izay mitovy amin` ny Antenimieram-pirenena ny fiampangana olona ambony iray fa ny azy dia ny loholona no mitsara. Ny solombavambahoaka izany no miampanga ka ny loholona no mitsara . Rafitra maneran-tany io fitsarana io fa raha misy fanitsiana na fanovana lalàmpanorenana dia tokony anjaran`ny komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana (comité national constitutionnel) no hijery an` izay dia hitan` ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny tokony hatsaraina amin` ity fitsarana avo ity raha toa ka fitsarana politika” hoy hatrany i Honoré Rakotomanana. Tsy misy fanitsahana andraikitra satria mamoaka ny fehin-kevitra fampiangana ihany ny ataon ny Antenimieram-pirenena ary ny fitsarana ambony (HCJ) no mitsara amin` ny didy aman-dalàna, araka ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.