Politique

Hoentina aiza marina ny firenena ? Mpitondra tsy matotra, Fanjakana mikorontan-dava


  • Talata 15 Febroary 2022

Fa hoentina aiza marina ny firenena? Mpitondra tsy matotra, fanjakana mikorotan-dava no hany misongadina sy miharihary eto.

Tsy ny mpanohitra intsony no olana, fa ny samy ao anaty Fanjakana no efa mifamely, tsy misy zava-banona. Depiote miady amin’ny minisitra kanefa samy midongy ho akaiky ny filoha, Depiote miady amin’ny governora, minisitra tsy mifankahazo, samy manetsika ny olony hampiasa facebook hanaratsiana ny hafa. Minisitra misy voalaza fa efa tsy miresaka intsony amin’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Ny tale ambony any anaty minisitera hafa manaratsy ny minisitra lehibeny, ary manangana ady aman’olona any amin’ny sehatra iasan’ny minisitra vadiny; Ny tale, chef de service maro samihafa dia samy manao izay saim-pantany, ankoatra ny baiko politika dia tsy misy toromarika sy tondrozotra mazava hiatrehana ny asa. Ny resaka programam-panjakana tsy misy, fa ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) aza moa vao ny 10 febroary teo no nifarana ny fitadiavana olona manam-pahaizana hokaramaina handahatra ny hoe: inona no tena laharam-pahamehana. Mbola vao hikaroka mpamatsy vola. Mba matotra ve izany? Angaha tsy efa niomana 4 taona ary ny hahatongavana eo no ela satria efa vonona ny zava-drehetra? Iza avy ireo orinasa hanao ny Tanamasoandro, sao rehefa vita vao hita hoe tsy araka ny tokony ho izy dia dibo-drano be rehefa fahavaratra? Sao dia hiala bala fotsiny hoe rano avy any anona any io, tahaka ny tetsy amin’ny kianja Barea, ary soa fa nanohitra ny fanotorana Ambohitrimanjaka fa mbola mafy noho ilay teo ny loza raha nandeha teo tokoa ny fanotorana. Misy vola hanatanterana sa sanatria hatao ohatran’ireo orinasa amin’ny sehatry ny asa vaventy narirarira ny volany? Ny asa vatsian’ny FR (Fonds Routier) aza moa toa natsahatra nanomboka ny 27 oktobra 2021 ka asa na efa mitohy na tsia? Aiza moa no ho voakojakoja ny làlana satria ahiana ihany koa ny fisiana fanodinkodinana ny volan’ny FER. Ny mpanohitra naman’ny mangiana amin’izao, tsy dia misy fanehoan-kevitra, tsy misy fidinana an-dalambe fa ny mpitondra mihitsy no midororororo. Eo imason’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miasa dia efa ratsy endrika i Madagasikara. Isika anefa tsy mahavelon-tena no sady be vava. Izao Kaomoro no manome vola. 80% n’ny Malagasy mpamboly sy mpiompy raha mahazo tohana sy fanampiana..tsy lany laniana ny sakafo eto ary mbola afaka manondrana maneran-tany, fa manorina zavatra tsy maika no maha maika. Ny fitantanana tsy mangaraharaha, ny ahiahina kolikoly, ny afera goavana mirefotra, ka lojika raha 25/100 ny naotintsika amin’ny tondro momba ny kolikoly. Dia mbola tsy menatra sy sahy manao avo vava ihany ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT