Miitatra hatrany ny ady an-trano eo amin’ireo samy mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny. Nifanebaka tao amin'ny tambazotran-tserasera Facebook koa omaly ny governoran’Amoron'i Mania sy ny depiote IRD
voafidy tao Fandriana. Mampahatsiahy ny fifanasana vangy teo amin'ny depiote voafidy tao Ikongo sy ny governoran’i Vatovavy fitovinany tamin’ny fotoan’androny mikasika ny fizarana 2 ireto faritra ireto sy ny fifanebahan’ny depioten’Ihosy sy ny governoran’Ihorombe tamina fandaharana iray farany teo ihany koa mikasika ny zava-misy any atsimo. Tsikaritra ho mamofompofona izany ihany koa ankehitriny ny mikasika ny zava-misy ao Tsiroanomandidy sy Bongolava. “Governoran’Amoron’Imania! Aza fahanana lainga ny vahoaka! Tsy misy minisitry ny atitany sy ramatoa PAN ho avy izany eo amin’ny alahady 5 septambra 2021. Atsaharo io fanaparitahana lainga io”, io no nambaran’ny depioten’I Fandriana, Ny Aina Dina Rakotomalala, tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Namaly izany ary namerimberina hatrany moa ny depioten’I Manandriana, Fanomezantsoa Andrianjanahary, fa tsy voatery ho tonga ny raiamandreny raha toa ka atao “Patronage/Parrainage” fa fanajana no anoratana ny anarany amin’ny “invitation”. Mampalahelo anefa ny mahita “publication” miampanga olona ohatran’izao, hoy izy. Alamino ny olanareo fa samy zanaka an-trano aby ianareo io, hoy ity farany niezaka nanelanelana. Manaratsy endrika ny fitondrana ny zava-mitranga tahaka izao ary tena misy akony any amin’ny asa fampandrosoana mihitsy.Toa mampibaribary ihany koa fa sahirana amin’ny fananganana ekipa hitantana ny firenena hatramin’izao ny fitondrana Rajoelina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.