Mety hafanafana indray eto an-drenivohitra amin’ity anio ity. Araka ny fantatra manko, dia tsy tratra tao amin’ny biraony ny Prefet hatry ny omaly kanefa nangataka fihaonana taminy ny solontenan’ny Ankolafy Telo, miandry ny valin’ny fangatahana fahazoan-dalana hamory olona an-kalamanjana.
Manoloana izany àry dia milaza ny hiverina eny Tsimbazaza ny Ankolafy Telo sy ireo mpanara-dia azy amin’ity anio ity. Ny tanjony dia ny hanehoana fa demokraty izy ireo, araka ny fanazavan’ny printsy Elakovelo, avy amin’ny firehana Didier Ratsiraka. “Mety amintsika daholo izay hitranga eo na hanjavona ny prefet, na hanome ny toerana nangatahana, na koa hisetrasetra”, hoy ihany izy. Araka ny fahita hatramin’izay tokoa manko dia heverina fa tsy hamela ireo vahoaka ireo an-kalalahana ireo ‘mpitandro ny filaminana’ fa dia mety ho raikitra indray ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, ny fifanenjehana ary ny fisamborana, toy izay fahita tato anatin’ny roa taona izay. Ary dia mety hiafara amin’ny fisamborana mpitarika hafa indray toa izay nanjo an-dry Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny pastera Edouard Tsarahame.
Araka ny fanazavan’i Jean Marc avy amin’ny UdemPro tokoa raha ny momba ny fitsarana ireo mpitarika ireo dia tsy nisy fandinihana na fisintahan’ny fitsarana kely akory mialoha ny namaliana ny fangatahan’ny mpisolovava azy ireo. Tsy mampatahotra na hahakivy ny mpitolona anefa izany, hoy izy. Nohamafisin’i Janson ihany fa tsy hampihemotra ny tolona na fandrahonana na hery famoretana. Ankoatra izay dia nohitsian’ireo nifandimby nandaha-teny ny filohan’ny FAT. Nialoha ny nahatongavan’ny Dr Simao teto, hoy i Rajo, dia nilaza ingahy Rajoelina fa raha hanakorontana ny SADC dia tsy ilaina, kanefa rehefa tonga tokoa ny tokoa dia nilaza indray ny tenany fa vonona hifampidinika indray. Momba ny lehiben’ny FAT ihany dia nambaran’i Manoela fa anjaran’Antananarivo ny mieritreritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.