Tafaverina eto an-drenivohitra avokoa ny anakamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny Parlemanta avy any amin’ny faritra.
Araka ny tatitra nataon’izy ireo, tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia “miray feo ny Faritra rehetra fa dia Ravalo ihany, Ravalo hatrany”. Ampahany amin’izany ny tatitra nataon’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy avy any Fianarantsoa, ingahy Raharison Roger Fidèle izay nilaza fa dia tsy mahalala afa-tsy i Dada ny ao Fianarantsoa. Tsy manaiky ny fitondrana gaboraraka misy amin’izao fotoana izao. Tetsy andanin’izany, araka ny fanazavan’ireo mpitarika dia efa manomboka mavesatra ny entana satria efa mby akaiky ny tanjona. anisan’ny vesatra, ohatra, ny fampizarazarana ataon’ireo nanara-dia ny ankolafy Ravalomanana teo aloha saingy efa nisintaka kanefa mbola miezaka mitaona ny olona ao an-kianja.
Re koa izao fa misy manangom-bola any ho any, milaza fa ho avy i Dada ka mila enti-manana ny fahatongavany. Mazava anefa ny tenin’i Zafilahy Stanislas fa tsy atakalo na amidy ny tolona ho fanavotam-pirenena ataon’izy ireo. Ny hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana hitondra indray ny tany sy ny fanjakana, hanarina ny firenena efa tena latsaka an-katerena izao no tanjona. Any aminy ny lakile sy ny fanafody ho an’ny fampandrosoana, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity.
Nambarany ihany koa fa tsy andraikitra na anjaran’ny Frankôfônia na ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana ny hiteny izay mety ho an’i Madagasikara satria efa napetraky ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikana amin’ny Troika SADC ny famahana ny krizy eto amintsika. “Rehefa milatsaka Ravalomanana dia tsy maintsy lany ka izay no atahorany”, hoy ihany izy. Na inona na inona sakana, hoy ihany Zafilahy Stanislas dia tsy mba naman’izay mihemotra isika, ary ny asa tsy vita no ifampitsarana, hoy ihany izy. Manoloana ireo rehetra ireo moa dia nanentana ireo mpiara-dia aminy ny tenany mba ho mailo sy tsy ho kivy satria efa kely sisa, andro sisa isaina. Nambarany moa fa efa misy zavatra tapaka eo anivon’ny Sadc izay handray an-tanana ny fampodiana an’I Marc Ravalomanana, hoy ihany Zafilahy Stanislas.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.