Nisy akony ny antso fiaraisankina sy fiaraha-miasa nataon’ny Hetsiky Mpitondra Fivavahana (HMF) hiadiana amin’ny tsy rariny mianjady amin’ny Malagasy sy ny tsy fahamarinana manapotika ny firenena ankehitriny.
Tsy nanao toriteny an-tany efitra, araka izany, ny HMF satria dia fantatra izao fa sendika miisa valo no efa nanoina ny antso ary naneho ny fahavononana hiara-miasa amin’ireto mpitondra fivavahana ireto. Karazana fijoroana vavolombelona ho amin’izay ady amin’ny tsy fahamarinana izay ny fisehoana ampahibemaso nataon’ny solontenan’ireto sendika ireto, nandritra ny vavaka ho an’ny firenena notarihin’ny HMF tao Antsahamanitra ny antoandron’ny sabotsy 24 novambra teo. Tonga maro koa ny olona, izay midika ho tso-drano sy fankaherezana ireto mpitondra fivavahana sy sendika, vonon-kiara-miasa aminy, amin’izany iraka makadiry hotanterahina izany.
Nambaran’ny HMF ampahibemaso fa voageja i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ; “voagejan’olom-bitsy tsy matahotra an’Andriamanitra ary tsy menatra ny hamono sy handatsaka aina sy hampiditra am-ponja olo-marina, raha vao tohinina ny tombontsoan’izy ireo”. Vaky bantsilana nandritra ny fotoana ireo fanararaotam-pahefana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Tena adidinay ny mamotsipotsitra izany tsy fahamarinana izany amin’ny maha Mpaminanin’ny firenena azy, hoy ireto mpitondra fivavahana ireto, izay nanainga ny rehetra mba hiray hina hitady ny marina ary hanavotra ny firenena ka hamerina ny tahotra an’Andriamanitra ho soatoavina. Rehefa izay dia miantso firaisankina sy fandraisan’andraikitry ny rehetra koa ny HMF hiara-mijoro am-pahasahiana ka hilaza fa “Ampy izay !”. Tsy fotoanan’ny tahotra izao, hoy ireo mpitondra fivavahana fa misehoa raha olo-marina, ampangino ny fironana samihafa na firehana politika.
Mikasika ny raharaha any atsimo, dia manao antso mba hanangana Komity Iombonana sy mahaleo-tena ary ivondronana’ny olom-pirenena ny HMF hizaha ifotony sy hanao fanadihadihadiana tsy mitongilana ary am-pahamarinana ny zava-misy any ary hitondra ny tatitra rehetra, ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena satria zontsika ny mahalala ny manjo ny mpiray firenena amintsika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.