Hitokona manomboka amin’ity anio ity ireo taksibe miasa eto Antananarivo Renivohitra mivondrona ao amin’ny UCTU ho fanoheran’izy ireo ny fidiran’ny taksibe avy ao amin’ny UCTS, eto an-drenivohitra.
Io no fanapahan-kevitra nivoitra taorian’ny fivoriana omaly maraina. Ny zoma lasa teo moa dia efa naneho ny tsy fankasitrahany ilay fanapahan-kevitra mamela ny “suburbaine” hiasa eto an-drenivohitra ry zareo ao amin’ny UCTU. Omaly alatsinainy dia efa nisy ireo taksiben’ny UCTS niasa teto an-drenivohitra ka ny fahitana izany no nahatonga io fanapahan-kevitra io. Nilaza ny tsy hiverina hiasa ireo taksibe eto an-drenivohitra ireto raha tsy miala sy tsy miasa miditra ny “ville” intsony ireo taksibe avy amin’ny UCTS. Efa nisy ihany moa ny fivoriana niarahan’ny mpitatitra sy ny mpitatitra saingy tsy nahitana vahaolana mahomby izany hatramin’izao satria samy miziriziry amin’ny heviny ny andaniny sy ny ankilany.
Nisy ihany anefa ny ampahany tamin’ny mpitatitra milaza fa tsy mbola mahafaty antoka ny mampihatra ilay saran-dalana 300 Ariary, raha ny amin’izao fotoana aloha. Nisy ny nampiakatra ho 400 Ariary dia izay no nahatonga izao fifandirana sy fitokonana izao, indray. Tsy maintsy hikorontana kely izany aloha ny fandaharam-potoan’ny tsirairay noho ity fitokonan’ny taksibe ity, satria azo antoka fa tsy hahavita hisahana ny zotra rehetra mahazatra eto an-drenivohitra ireo taksiben’ny “suburbaine”, na dia tena hanezaka mafy aza. Mety ho raharaha koa no hitranga raha toa ka misy manakan-dalana, araka ny fampitandremana efa nataony ireo taksiben’ny UCTU, ary raha tsy misy ny fifandaminana haingana dia mety ahiana hivadika fifandonana mihitsy ity raharaha ity.
RTT
ENCADRE
Tsy vao izao ity olan’ny fitaterana an-drenivohitra ity fa efa am-bolana maro, saingy asa na variana amin’ny zavatra hafa ny ministeran’ny fitaterana na tena tsy fahaiza-miasa tsotra izao mihitsy ilay izy. Andrasana hitatra be tahaka izao foana ve ilay raharaha vao hikaroka ny vahaolana tena mahomby. Efa fantatra tsara anefa fa hisy voka-dratsy amin’ny fiainan’ny mponina an-davanandro izany fikatsoana na tsy fahatomombanan’ny fitaterana izany, sady mbola mianatra daholo ny mpianatra amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.