“Taorian` ireny fanambarana nataon` ny CENI momba ireo anarana miverina in-droa dia nihozongozona ny fahamarinan-toeran` ny mpitondra amin` izao.
Efa ambany ny tahan` ny fandraisana anjara tamin` ny fifidianana kanefa dia mbola nisy ireny fanambarana ireny indray” hoy Hilda Rasinjo, mpanolontsainan` ny tanàna voafidy tamin`ny vondrona politika KOMBA. Mazava ho azy, mila jerena raha nifidy daholo ireo “doublon” iray tapitrisa mahery ireo. Aorian` izay kosa vao afaka mampiseho ny fisian` ny hala-bato goavana. Tsy mila hiverenena, hoy izy, ny hoe “miala ny filoha” satria efa nekena ny vokam-pifidianana. Raha ny fijeriny hatrany dia nampiseho ny fetrany ny CENI satria ity vaomieram-pirenena ity no nanambara fa talohan`ny 2018 no niseho ireny lisitra ireny kanefa tsy nisy fanavaozana natao. Inona marina no ilàna ny CENI? hoy ihany izy. Tsy hanan`ny fitondrana fahefana ny fikarakarana fifidianana ary tsy misy tomponandraikitra intsony ny fifidianana. Tsy misy azo hitenenana intsony amin`ny tsy fetezana. Matoa napetraka ireny rantsana izay lazaina mahaleotena ireny dia ny mba hisian`ny tsara tantana eo anivon` ny sehatra iray izay tiana apetraka. Nahoana ny fanjakana no tsy afaka miantoka fifidianana tsara tantana? Tsara kokoa raha ny fanjakana no misahana ny valiny farany. Antony, misy tompon’andraikitra rehefa misy tsy fahatomombanana toy ny famoahana CIN na koa andraikitry ny sefom-pokontany… Niainantsika ny vokatry ny tsy fahatomombanana ka manana efa taona hanomanana fifidianana filoham-pirenena isika ahafana mandinika sy mijery ireo fomba hanarenana ny lisi-pifidianana sy hamerenana ny fahatokisan` ny olona ao anatin` izany, hoy hatrany ny fanazavany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.