Nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ihosy nanomboka ny 7 mey 2019 teo ny filohan’ny CED (Commission Electorale de District) na ny Rantsa-mangaikan’ny CENI any Ihosy Rakotondrazandriny Louis Valdor.
Vesatra anenjehana azy ny fanabontsinana lisi-pifidianana ary mbola nanomana mialoha fomba hangalaram-bato ho an’ny kandida iray amin’ny fifididianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019. Porofo mazava iray io, fa tena misy ny fikotrehana hosoka sy hala-bato, ary iray iny no tratra kanefa heverina fa mety ho maro ny toe-javatra mitovitovy amin’io. Amin’izao fotoana izao, dia ovaina ho amin’ny endriny A4 izany hoe mitovy habe amin’ireny taratasy fotsy mahazatra ireny ny lisi-pifidianana amin’ity fifidianana ity, raha tamin’ny endriny A3 avo roa heny amin’ny A4 teo aloha, raha ny loharanom-baovao iray. Tamin’ny fifidianana filoha aza efa nanahirana ny nikaroka ny anaran’ny mpifidy tao anatin’ilay taratasy lehibe sady vitsy kokoa, kanefa dia novaina tsy misy fanazavana ara-teknika hatreto. Toa tsy firosoana amin’ny tsara kokoa fa fihemorana no misy ary ahiana ny mety ho kajikajy ao anatin’io. Raha toa mantsy ka taratasy fotsy tsotra toy ny fahita andavanandro io, dia tsy ho sarotra ny mety fanisihana lisitra avy any ivelany na fanakalozana lisitra hoenti-manatanteraka hosoka amin’io fifidianana io. Ny ahiahy tsy hihavanana, ka mila fanazavana hentitra ny rehetra mba hananan’ny olom-pirenena fitokisana satria na inona ambara dia mbola maro no tsy mahatoky ny fomba fitantanana sy fikarakarana taorian’ny fifidianana filoha. Resahina sy ezahina ampahatsiahivina ny didy aman-dalàna samihafa, ary arangaranga ny sazy tahaka ny hoe: 5 tapitrisa ny onitra ho an’ireo olom-panjakana manao fampielezan-kevitra saingy tena hihatra ve ? Raha ny tamin’ny “pré-campagne” izao dia efa tsy tambo isaina ny fandikan-dalàna, kanefa zary fialana bala ny tsy fisian’ny lalàna mazava mifehy ny “pré-campagne”, ka toa maro ny nanao izay danin’ny kibony, indrindra fa ny “kandidam-panjakana”, izay tena misy na lavin’ny CENI aza io fiantsoana io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.