Hafampana ny toe-draharaha ao Antsirabe anio. Hamory vahoaka ao amin’ny Magro Avaratsena manomboka amin’ny 11 ora ireo Vondrona olom-boafidy “Collectifs des Parlementaires” milaza hanao tatitra; Ao anatin’izany ihany koa ny Vondrona Panorama, RMDM, TIM,…
Ny lalàmpanorenana mihitsy no manome fahefana ny depioten’i Madagasikara, hoy ireo parlementera. Werawera” no betsaka ka tongava raha te handre ny tatitra tena marina, toy ny nataonay depiote 73, hoy ny solombavambahoak’Antsirabe Michel Ambalavato mpampiantrano. Tongava maro rahampitso, fa ny fiainanao sy ny ho avin’ny firenena no hodinihina, hoy ny fanentanana. “Fotoana hanomezana tatitra amin’ny zava-drehetra, ny zava-misy, zavatra iainana, ka mino izahay fa anjaranay parelemantera ny mitatitra amin’ny vahoaka rehetra, ary zon’izy ireo no mahazo izany. Tsy hoe izay mivoaka amin’ny haino aman-jerim-panjakana dia izay no eken’ny vahoaka manontolo, fa hitondra ny anjara birikinay, hitondra ny fijerinay izahay parlemantera, fa tsy hanakorontana akory. Ohatra, nitrosa isika tamin’ny covid-19, ka zon’ny vahoaka, zon’Antsirabe ny mahalala izany, hoy ny fanambarana omaly.
HOSAKANANA INDRAY VE ?
Voalaza fa efa tafapetraka ny taratasy fampahafatarana teny amin'ny Prefektiora amin’ny hisian’ny hetsika anio. Raha ny hita hatramin’izay anefa, dia samy nisakanana ny ankamaroany, toy ny tao Mahajanga, Fianarantsoa,… Ny resaka fepetra tsy fahafaha-mamory olona mihoatra ny 200 no noventesin’ny mpitondra hatramin’izay, saingy ny zava-niseho ny takarivan’ny alakamisy tamin’ny fijerena ny lalaon’ny Barea, dia maneho mazava fa tsy voarara intsony ny famorian’olona mihoatra ny 200. Asa izay hiseho ao Antsirabe na hanakana toy ny efa nataony ny fitondrana na halalaka ny hetsiky ny mpanohitra. Hafampana ny toe-draharaha ao an-dRenivohitr’i Vakinankaratra anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.