Politique

Hifarana ny fe-potoana iasan’ilay iraikalahy mitondra ny firenena ankehitriny.


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Betsaka no nampanantenaina fa vitsy no tanteraka. Vita hatramin’ny nilalao ny saim-bahoaka namorona horonan-tsary nisy faminaniana sandoka,

 fa i hiainga eto Madagasikara hono ny fanavotana izao tontolo izao noho ny ezaka ataony. Inona akory no teo ? Isika no firenena nihazakazaka nihemotra nakany amin’ny rambony noho ny tsy fahaiza-manao. Maro ny diso fanantenana eny fa hatramin’ireo nanohana aza. Ho mafy noho izany ny adiny amin’ny fifidianana, ka ankoatra ny kajikajy politika dia mety ho avo 2 na 3 heny amin’ny fampanantenana poakaty tamin’ny fifidianana farany ny ho avy eo. Ny hafa aza nahavita nampiakatra ny harin-karena nalentiky ny tetezamita izay 7,1% nijotso tany amin’ny 3,3%, tafiakatra 5,3% rehefa niala ry volomboasary, kanefa 8% no azony. Ny an’ity nalentiny tany amin’ny -7% indray rehefa tafaverina izy ka mbola manantena hitazona ny seza ihany ? Aza mirediredy nama a !  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT