Politique

Hiditra amin’ny 26 jona faharoa isika Aiza ihany ilay hoe fiverenan’ireo Nosy Malagasy ?


  • Talata 22 Jona 2021

Tany amin’ny taona 2019 no nanaovan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fanamby fa mialohan’ny 26 jona hankalazana ny fetin’ny fahaleovantena no hahazoantsika ny Nosy Malagasy,

 na koa hivoahan’ny fehin-kevitra momba izany. Ny volana desambra 2019 no nisy ny dinika momba ireo Nosintsika ireo, ary nomena anarana Malagasy mihitsy aza izany fa moa na didim-panjakana manamafy ny fampiharana ny anarana aza nisy? Nisy ny fangatahana nataon’ny herivelona samihafa ny hamoahana ho làlana ny maha faritra faha-23 na koa distrika na izay mety azo hamaritana azy ireo Nosy saingy moa mba nisy an’izany? Vao omaly izao no nisy andiana mpanao politika sy fikambanana nanatitra taratasy teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny manolo-kevitra amin’ny hamoahana didim-panjakana amin’ny maha antsika ireo Nosy ka asa hoe: mba hisy setriny sy arahina sa hodiana adala toy ny teo aloha hatrany? Ny 10 mey 2020 rahateo no nilazan’i Andry Rajoelina, fa tsy mila fiaraha-mitantantana izany, fa famerenana ireo Nosy no takiana. Ankehitriny, navadiky ny Frantsay ho lalàna ny maha tahiry voajanahary ny Nosy Glorieuses vao hoe: handefa taratasy fanoherana izany ny Fanjakana Rajoelina. Sady tsy mahomby amin’ny diplamaomasia ny Fanjakana Rajoelina no toa manadala saim-bahoaka fotsiny tamin’ity raharaha Nosy Malagasy ity. Tsaroana ny fiventesana ny hiram-pitiavan-tanindrazana narahina fisotroana CVO ho an’ny depiote, ka isan’ny novoizina tamin’izany ny resaka fitakiana ny Nosy Malagasy herintaona lasa tahaka izao. Fa moa mba tena nisy tolo-dalàna nodinihina sy nolaniana teo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ireo Nosintsika ireo? Sehoseho ivelany, filalaovana saim-bahoaka sy fom-bahoaka, sarintsarim-pitiavan-tanindrazana no betsaka.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT