Politique

Hetsiky tany Antsirabe Miha matanjaka ny mpanohitra


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Karazana anjomara ho an’ny Fanjakana Rajoelina ny fahazoan’ny mpanohitra vahoaka maro be tao Antsirabe ny sabotsy teo, na MAPAR aza ny Ben’ny tanàna sy ny Governora.

 

 

 

 Nitarika izany ireo vondrona Parlemantera manodidina ny 20 nampian’ny Vondrona Panorama, RMDM, TIM,… . Rakotra mpitandro filaminana ny fidirana ny Magro Avaratsena Antsirabe, ary tsy nekena mihitsy na nisy aza ny fifanazana, fa zon’ireo parlemantera sy voafaritry ny lalàna ny fanaovana tatitra. Nanaiky ny toromariky ny mpitarika ireo vahoaka, ka teny an’arabe no natao fotoana. Tsy nitsitsy fitenenana ireo mpitarika. Tsy mpikorontana sy mpandroba, tsy mpanao zavatra tsy mety toy ny sasany izahay, ny depiote sy senatera tonga teto no fitaratra voalohany, hoy izy ireo. Toerana manokana, toerana mifefy, ka tsy tokony hisy hataoranareo anay, fa izahay vitsy kely, izahay 6%, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Sambo-balala main’andro ka raha tsy azontsika androany azonay rahampitsao, Izahay tsy mikoso-maso raha tsy miseho ny fahamarinana, tsy hangina izahay, ary vonona ho faty ho an’ny tanindrazana, hoy ny fanambarana. Raikitra ny kabary teny an-dalambe narahana diabe rehefa tsy navela nidirana ny Magro, ka ny nijery sisa azon’ny mpitandro filaminana natao. Ny kere any Atsimo kanefa ilaozanareo manao “werawera”, ny tsy fandriampahalemana kanefa ny mpitandro filaminana alefa mamoritra vahoaka. Miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana, fa tsy atao fitaovana hiarovana seza. Miakatra 3000ar ny vary, miakatra ny fanafody,… kanefa tsisy vahaolana.

 NAHAZO NY ANJARANY NY GOVERNORA

 Nahazo vava be tamin’ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra Atoa Vyvato Rakotovao. Fantatray fa namidinao daholo izao sy izao. Mbola ho avy ny andro satria fantatray ny fitantanana eto amin’ity Antsirabe ity, fantatray ny ady ataonao amin’ny Prefet eto, ary fantatray ny ady ataonao amin’ny ben’ny tanàna eto. Manao tsinontsinona olom-boafidy na depiote, na ben’ny tanàna , na mpanolontsaina. Ianao olom-boatendry fa tsy olom-boafidy, ka tsy hisy olom-boatendry hibaiko olom-boafidy mihitsy fa ho avy ny andro. Hitanay ny trano misy anao”, hoy ity solombavambahoaka. Tsikaritra tamin’ity hetsika tany Antsirabe ity fa mitombo isa hatrany ireo olona liana hihaino ny mpanohitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT