Notanterahin’ireo Diaspora RMDM any Frantsa nahitana ny avy any Marseille, Montpellier, Toulouse, Bordeaux, Tours, Rennes, Bretagne,...
ny hetsika lehibe efa nolazain’izy ireo mba hanehoana ny tsy fankasitrahana sy ny fitakiana ny Fialan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Tany amin’ny Avenue de Ranelagh any Paris 16é no nanaovan’izy ireo izany, ary niandry ny fandalovan’ny Filoha izay namory vahoaka tany amin’ny Masoivohontsika tany Paris izy ireo, saingy tsy nandalo I Andry Rajoelina. Tahotra ny lehibe indrindra amin’ny Filoha matoa tsy sahy teo anatrehantsika, hoy izy ireo. Nihorakoraka ny hoe : « karakarao fa mivoraka », « iny fa manao lalam-poza », « tongava aty raha sahy » ; Isika dia misolo tena ny Malagasy, ny fianankaviana iharan’ny tsindry hazolena sy ireo Malagasy tratry ny tsindry hazolena izay tsy mba afaka mijoro aty Madagasikara,…. Tsy nitsitsy fitenenana ary tena naneho an-kasahiana ny ambaran’izy ireo fa tsy rariny ataon’ny mpitondra ankehitriny ireo RMDM Diaspora tarihin-dry Faniry Ernaivo, na eo aza ilay fanambarana nataon’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza amin’ny hisamborana io mpitarika io sy nampitandrina ireo manala baraka ny Filoha any an-tanin’olona. Isan’ny notsikerain’izy ireo mafy aza ity Minisitra ity. Nirarakopana ny hoe: “Miala Rajoelina fa mpanodinkodim-bola, “fanampiana iraisam-pirenena “1,3 miliara dolara voahodinkodina”, miala ny mpangalara, alefaso anya m-ponja i Rinah Rakotomanga, mpanao trafika, mahantra loatra ny Malagasy, miala Rajoelina tsy matahotra an’Andriamanitra fa mampijaly, miala am-pahendrena fa mahantra ny vahoaka, miala rehefa tsy mahavita azy, miala Rajoelina sy ny MAPAR, Rajoelina “doublons” miala, raha mba “homme d’Etat” ihany ianao Rajoelina dia miala fa tsy alehany, mahatsapa tena fa mijaly ny Malagasy efa tsy mihinan-kanina, tsy maintsy mijoro handà ny tsy rariny na inon-kidona na inon-kihatra ary tsy maintsy mitohy ny tolona mandra-pialan’ireo eo, tsy maintsy mandresy ny tolona,… Raha taty Madagasikara no nanao toy ny nataon’ireo Malagasy miasa sy monina any Frantsa ireo, dia azo antoka 1000% fa efa betsaka no nidoboka tany Tsiafahy sy Antanimora.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.