22 volana no lasa ka nitantanan` ny Filoha Rajoelina an`i Madagasikara. Serasera sy ny sandry aloha no tena tena nibahana teto amin` ny firenena. Ohatra ireny fanagadrana mpandraharaha ireny, fisehoana matetika amin` ny haino aman-jery ataon` ireo tompon’andraikitra, fampatsiahivana ireo lalàna efa nisy…
Tsy nisy fanapahan-kevitra mivantana sy mipaka any amin` ny sosialim-bahoaka hatreto. Nisy rahateo moa ny valanaretina “coronavirus” ka sarotra aloha no hanatanterahina ireo fampanantenana sasany. Na tian` ny Filoha Rajoelina na tsy tiany dia nivoaka avy amin` ny krizy 21 apily 2018 ny tenany. Antony dia anisan` ireo nandray anjara tamin` izay tolona izany ny depiote Mapar. Ankoatra ny fanatanterahana ireo velirano 13 mantsy dia nisy ireny fitakiana maro samihafa nataon` ireo sendikà nandritra iny hetsikin` ny depiote 73 iny izay noraisina ho karazana revolisionina sendikaly teto Madagasikara. Ohatra notakiana tamin` izany, ny hoe be loatra ny tsy fitoviana misy amin` ny fitantanana sampandraharam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana, sampandraharaha eo anivon` ny minisitra iray, mandray tambin-karama isan-telo volana ary an-tapitrisa maro. Maro ireo sendikà nanatevin-daharana ny hetsika tamin` izany. Nisy moa ireo voalaza fa hodinihana amin` ny manaraka fa ny sombitsombiny ihany no nekena. Andrasana, araka izany, ny paikady matotra apetraky ny Fitondrana amin` ny fanatanterahana ireo fitakiana samihafa nandritra ireny tolona ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.