Politique

Hetsiky ny 13 mey 1972 “Mbola tokony hitohy ny tolona hatramin’izao”


  • Alarobia 11 Mey 2022

Ho fanomezam-boninahitra ny filohan’izy ireo no sady ho fampahafantarana ny fisian’ny hetsika makotrokotroka hanamarihana ny jobily volamenan’ny tolon’ny 13 mey 1972 ihany koa dia nampahafantarina tetsy amin’ny

fonenan’Itompokolahy, Willy Razafinjatovo na maitre Olala, Ankadifotsy omaly ny fisian’ny hetsika manomboka ny 13 hatramin’ny 22 mey izao eto Antananarivo. Araka ny efa nitaterana azy teto amin’ny gazetintsika moa dia ho sokafana amin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tarihin’ny FFKM etsy amin’ny EEM Avaratr’Anjoma Analakely izany ny zoma izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Maro lafy avy eo ireo hetsika atao ary hiafara amin’ny fampisehoana seho koltoraly marolafy etsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely ny 22 mey 2022. Ny zavatra nitolomanay tamin’ny 50 taona lasa ihany, hoy ireto mpitolona tamin’izany, no mbola tokony hitolomantsika hatramin’izao. Notoherina tamin’izany ny fampianarana tsy mifanitsy amin’ny zava-misy eto Madagasikara dia ny sekoly miangatra sy sekoly sivana, izany nanilihana ny zaza malagasy. Notoherina ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao nataon’ny frantsay, ny fangejana sy fandrobana ny vola sy toekarena, ny tany lonaka sy nobodoina sy ny hafa rehetra. Na teo aza anefa izany dia tsy nahavita niaro ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena malagasy. Ny frantsay no nanjaka tokana taloha fa nanomboka nahazo vahana koa ny hery mpanani-bohitra hafa. Mitombo andro aman’alina ny fandrobana harem-pirenena ary fanondranana izany an-tsokosoko. Bokan-trosa ny firenena satria tsy nahavelon-tena mihitsy. Mbola bodoin’ny frantsay ireo nosy malagasy. Vahaolanay tamin’izany ny fanalalahana na “démocratisation” ny fampianarana satria hatramin’izao dia mbola nifaninanana ny miditra 6e, 2nd,taona voalohany eny amin’ireo sekoly, lisea, oniversitem-panjakana. Eo koa ny fanagasiana ny fampianarana. Marary tanteraka ny fampianarana malagasy ankehitriny. Potika tanteraka ny sekolim-panjakana ary natao ho an’ny mahantra sisa fa mihazakazaka any amin’ny “école d’expression française et anglaise” ny ankamaroan’ny manan-katao. Nangataka fiaraha-miasa tamin’ny filoham-pirenena moa izahay fa tsy misy valiny hatramin’izao, hoy hatrany ireto hetsiky ny 13 mey 1972 ireto omaly.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT