Politique

Hetsiky faran’ny herinandro tetsy amin’ny Magro Nisaotra ny vahoaka ny TIM Avaradrano sy Anjozorobe


  • Talata 13 Novambra 2012

Naneho fisaoarana tanteraka noho ny fihetsika nilamina nasehoan’ny vahoakan’ny ara-dalŕna tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny fizarana ny tsirambin’ny tanana hoenti-miatrika ny tolona ny sabotsy teo ny mpitarika sy mpandrindra ny Tiako i Madagasikara avy eny Avaradrano sy Anjozorobe ary ny Manodidina an’Antananarivo.

 Manaporofo ny mivaingana ny fahendrena sy fanaran-dalàna araka ny toro-marika homen’ny Filoha Marc Ravalomanana ombieny ombieny tao anatin’izay telo taona mahery nanaovana ny tolona izay ny fihetsika nasehoantsika, hoy ny hafatra, ka mendrika ny ho tohizana sy hamafisina indrindra rehefa ho tonga i Dada. Mbola manentana ny mpiara-mitolona rehetra koa ireto mpandrindra sy mpitarika TIM ireto fa tsy tokony ho varivarimbariana ny rehetra hanara-maso ny fanoratana ny anaran’ny tsirairay isan-tokantrano ao anatin’ny lisim-pifidianana izay tanterahin’ny iraky ny CENIT eny anivon’ny fokontany manerana ny Nosy any ary tsy hiandry ny fahatongavan’i Dada tsy akory vao hikoropaka hanao izany fa dieny izao dia tokony efa hipetrapetraka izany. Hamafisin’izy ireo koa fa Avaradrano sy Anjozorobe ary ny manodidina an’Antananarivo dia tsy mivadi-belirano amin’ny dina nifanomezana dia ny fitolomana amin’ny fampodiana an’i Dada, ny firotsahany ho fidiana ary ny fandaniana azy «1er tour de vita».

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT