Politique

“Hetsika : Tsy misy miala aketo niany” Nivoaka tamin’ny fahanginany i Riri Be


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Taitra tamin’ny torimasony Rakotomalala Henri fantatra amin’ilay anarana hoe Riri Be tao Toamasina.

 Misy ny fiarahan’ireo sendika sy fikambanana samihafa mitaky tombontsoa very na niniana tsy nomena na tena tsy nomena sy noesorina mihintsy ankehitriny, ao anatin’ilay antsoina hoe : “Hetsika : tsy misy miala aketo niany”. Atoa isany Mandraina Félix filohan’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina, Rakotomalala Henri mpitarika ny ZA.TO.VO sy Patrice Honoré ary Rtoa Pascaline Siteny Asmih izay samy mpiasa teo Ambatovy teo aloha efa natsahatra, no mitarika ity hetsika manokana ity. Nisy ny fiantsoana mpanao gazety nampahafantaran’izy ireo ny fijoroan’ity hetsika ity ny sabotsy teo.

Voalaza ao anatin’ny fanambarana fa “tsy mpanohitra ara-politika izy ireo, fa mihetsika kosa noho tombontsoan’i Toamasina sy ny zanak’i Toamasina ary ny fanilihana ny manampahaizan’i Toamasina eo amin’ny sehatra ny sosialy, asa, toekarena, fandraharahana ary eo amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny asa ambonim-panjakana ataon’ny fitondrana sy ny mpiara-mibizina ary ireo mpiray tendro aminy”. Miisa sivy ireo fitakiana sy filazana ny tsy mety hitan’izy ireo ao anatin’ny fanambarana ny sabotsy 06 oktobra. Anisan’ireny ny olana ara-tany izay ambaran’izy ireo fa anjakan’ny Frantsay, ny Karana ary ny Sinoa, ka ny Malagasy tompon-tany sy zo omen’ny lalàmpanorenana azy indray no  tsy voahaja.

Ny fanilihana sy tsy mba fakana ny hevitry ny zanak’i Toamasina amin’ny fanendrena olona hipetraka amin’ny asam-panjakana ambony samy hafa, faniliahana sy ny fanapotehana ny avara-pianarana zanak’i Toamasina, fanilihana ny zanak’i Toamasina eo amin’ny asa ao Ambatovy sy ny tsy fanomezana ny tombontsoa an’ireo tsy maintsy natsahatra, fanilihana mahazo ireo mpandraharaha amin’ny tolotr’asa sy tolo-bidy misy sy ny fandraharahana samy hafa...“Tsy hanaiky izany intsony izahay, fa hihetsika ato ho ato ho fampahafantarana izany, na am-pidirana am-ponja ahy indray” hoy i Riri Be hentitra tamin’ny teniny sy tezitra amin’ny zava-misy. Nohamafisin’i Mandraina Félix izany fa raha ny raharaha Antenimieran’ny varotra dia tena tsy misy miala izany aketo niany, satria tsy nanao ratsy tao aho, fa namoaka ny marina izay tsy zakan’ny sasany fa mifaningotra ao anatiny izy ireo”. Hisy noho izany ny fivoriana hataon’izy ireo ao amin’ny Kianja mitafo Soavita anio alatsinainy, handinihana ny tohin’ny hetsika.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT