Politique

Hetsika “Tsy misy miala aketo niany” Nidina an-dalambe, mitaky vola


  • Talata 23 Oktobra 2012

Nidina an-dalambe naneho ny fitakiany ireo mpikamban’ny Hetsika “Tsy misy miala aketo niany”, tarihan-dRakotomalala Henri na Riri Be sy Mandraina Félix ary ireo filoham-pikambanana sy sendikaly sasany.

 Niainga teo amin’ny kianja mitafo Soavita ny filaharana, nihazo ny lalana Tanamakoa, Ankirihiry, Tanambao V, boulevard Augagneur, araben’ny fahaleovantena ary tonga teo amin’ny biraon’ny Tetikasa Ambatovy izay nisiana lahateny fohy nifandimbiasan’i Riri Be sy Mandraina Félix amin’ny anton’ny filaharana natao. Nambaran-dRakotomalala Henri teo anoloan’ny biraon’ny tetikasa Ambatovy, fa “omenay roa herinandro ianareo Ambatovy hamaliana ny fitakiana sy ny fangatahana ara-taratasy nataonay. Raha tsy misy valiny izany hatramin’ny 05 novambra ho avy izao, dia hihamafy ny hetsika ataonay”. Nambarany fa fitakiana ny tombontsoan’ny mpiasa naato, nesorina, maty ary very asa no takian’izy ireo. “Tsy ho toy izao Ambatovy raha tsy ireo zanak’i Toamasina ireo, nefa natao tsinontsinona ny hany tombontsoany. Takianay ny fandoavana ny 6 tapitrisa Ariary isan’olona ho an’ireo mpiasa ireo”, hoy i Riri Be. Nambaran’izy ireo moa fa efa nifanarahan’ny mpiasa naato sy ny Ambatovy ity raharaha tombontsoa ity.

Ny teo anivon’ny tetikasa Ambatovy anefa raha nanontaniana dia nanazava fa “tsy mpiasa nivantana tamin’ny tetikasa Ambatovy ireo olona naato tapitra fifanarahana arak’asa ireo, fa tamin’ireo orinasa niara-niasa tamin’ny tetikasa nandritra fanorenana ny orinasa. Efa nisy ny fanampiana azy ireo tamin’ny alalan’ny AIDE sy ny BRMO, ary ireo orinasa ireo no nanome ny anaran’ny mpiasany tokony ho nahazo io fanampiana io”.

Tsy naharitra ela teo anoloan’ny biraon’ny Tetikasa Ambatovy “boulevard Augagneur” ireo mpanao fihetsiketsehana, fa vao vita ny lahateny nataon’i Mandraina Félix, izay nilaza ny “hitohy ny fidinana an-dalambe raha mbola misy ny tsindrihazolena sy ny didy jadona mahazo ny vahoaka madinika, ny mpiasa kely, ary ny tsy an’asa, tsy azo ekena intsony ny fanaovana tsinontsinona azy ireo toy izay efa nitranga ela izay”.

Tazana tamin’ny toerana nizoran’ny mpanao fihetsiketsehana hatrany ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg sy ny FIP Toamasina, izay nilaza fa “tsy manakana ny hetsika fitakiana, fa manara-maso kosa izay mety hihoa-pefy na manimba ny fananam-bahoaka sy fananan’olona ary mibahan-dalana”. Ny fitohanan-dalana kosa no henjena nandritra ny filaharana nataon’izy ireo naharitra ora roa teo ho eo omaly.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT