Raikitra ny hetsika sy fanehoan-kevitra tsy ankitsitsy nataon’ireo Malagasy mpila ravinahitra any Frantsa sy La Réunion, tsy mankasitraka ny Fanjakana Rajoelina.
Naneho hevitra tsy an-kitsitsy nanehoana mahitsy ny fitakiana ny hialan’ny Fanjakana ankehitriny amin’ny toerany noho ny antony maro. Afaka nanao izany an-kahalalahana na ny tany Frantsa na tatsy La Réunion, fa tsy nisy lakromozenina toy ny fahita eto. Tao amin’ny Place de l’Independance tao Paris no nanaovana izany ho an’ny tany Frantsa, izay nisiana fitondrana sora-baventy sy fiventesana hiram-pitolomana. Nivoitra tamin’izany na tao Frantsa na tany La Réunion ny hoe : « Miala Rajoelina », « Miala ny jadona », « gouvernement dictateur »,… Ny fialan’i Andry Rajoelina sy fananganana Repoblika faha-5 no vahaolana hamonjena ny firenena, raha ny hevitray Malagasy mpitolona eto amin’ny Nosy La Réunion izay nanao hetsika Miara-manonja ny sabotsy 17 jolay tao St-Pierre, araka ny fanambaran’izy ireo. Ao anatin’io Repoblika vaovao io no anaovana : fanomezan-danja sy fahefana ny Fokonolona, HCC tsy mitanila, Fanoratana « Code électoral » na lalà mifehy ny fifidianana vaovao, mametra ny fandaniam-bola amin’ny fampielezan-kevitra (plafonnement des dépenses de campagne électorale), Fanadiovana ny lisi-pifidianana tsy hisy doublon intsony, ny fitsarana ireo mpanongam-panjakana sy mpangala-bato rehetra ary mpanodikodina volam-panjakana rehetra sy fanaovana "gel des avoirs" azy ireo mba tsy afahany mividy olona indray. Eo ihany koa ny fifidianana eny anivon’ny Fokontany mialoha ny fifidianana Mpitondra firenena vaovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.