Vao maraina dia nosakanan'ny mpitandro ny filaminana ireo lalana rehetra mety idirana ao amin' ny Magro Fianarantsoa nanomboka ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo delegasionin’ny solombavambahoaka mpanohitra nikasa hanao tatitra tamin’ny vahoaka tao an-toerana.
Feno mpitandro filaminana ny manodidina ary nasain' izy ireo noravana ny lampihazo. Tsiahivina anefa, hoy ny fanazavana, fa ny lalampanorenana no mamaritra fa tokony manao tatitra ho an' ny vahoaka ny Solombavambahoaka kanefa dia nosakanana izany fikasana hanao tatitra tao amin' ny Magro Fianarantsoa ny sabotsy tolakandro teo izany. Ao anatin’ny fitetezam-paritra miaraka amin’ireto solombavambahoaka ireto moa ireo vovonana sy vondrona ary antoko politika ankavia toy ny RMDM sy vondrona Panorama ary antoko TIM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.