Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona 12 nosamborina nandritra ny famoriam-bahoaka saika hataon’ny depiote TIM
mpitarika ny Miara-manonja teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy 20 febroary lasa teo. Niakatra fampanoavana omaly alatsinainy atoandro, ary efa alina mihitsy vao nilatsaka ny didy. Manakarama olona hikorontana, manentana olona hankahala fitondrana, fanakaramana “gros bras” no ambara fa vesatra no isan’ny nambara fa vesatra. Nilaza ny mpitandro ny filaminana omaly, fa tsy hoe noho ny lokon’akanjo no nisamborana azy ireo. Ny 06 aprily izao raha tsy misy ny fiovana no voatondro fa hitsarana ireto olona voasambotra ny sabotsy lasa teo ireto.
TSY MAINTSY TIAVINA VE NY FILOHA SY NY FANJAKANA ?
Resaka voizina matetika, ary efa nampidirana am-ponja olona mihitsy ny hoe: manao “incitation à la haine” na miantso fifankahalana. Vesatra fanenjehana mpanao politika tato ho ato io, ka isan’ny efa nigadra tamin’izany noho ny fanehoan-kevitra tao anaty tambajotran-tserasera I Berija Ravelomanantsoa, izay nohelohina 44 volana an-tranomaizana ankoatra itony vao nidoboka omaly itony. Nilaza i Guy Maxime Ralaiseheno mpanentana ny Miara-manonja ny 15 febroary teo, fa antso fankahalana ny Filohan’ny Repoblika sy ny Fanjakana Malagasy no voalaza fa antony nampanantsoana azy hohadihadiana eny Fiadanana. Hogadraina daholo ve izany izay tsy tia sy maneho hevitra manohitra sy mankahala fitondrana? Tsy efa midika ve ny voka-pifidianana tamin’ny 2018, fa misy mpifidy maherin’ny 2 tapitrisa nifidy an’i Marc Ravalomanana, izay mazava fa tsy tia an’i Andry Rajoelina amin’ny ankapobeny? Mbola zavatra iray hafa ny hoe ampahefatra latsaky ny 10 tapitrisa anaty lisi-pifidianana no nifidy ka voalaza fa nahalany an’i Andry Rajoelina ho Filoham-pirenena. Misy lalàna ve eto Madagasikara milaza fa tsy maintsy tiavina ny Filoha ary tsy azo hankahalaina ny Fitondram-panjakana iray? Ny didy aman-dalàna no tsy maintsy toavin’ny tsirairay, fa malalaka sy ao anatin’ny fitsipika ara-demokratika ny fitsikerana ny tsy mety ataon’ny Fitondrana mety hamaivay fa kosa zava-misy sy mitombina, ary tsy tokony hatahotra an’izany, raha tena fitondrana manao ny marina sy ny rariny, ary marin-toerana sy tena toavin’ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.