Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,
Mpanao gazety sady Talen’ny famoahana ny Gazety VALOSOA noho ny loham-piampangàna « Fitarihana fankahalàna » izay mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka. Araka izany, ny ROHY dia manohana ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) amin’ny tokony hamoahana tsisy hatak’andro an-dRtoa Rahelisoa Arphine no sady manambara ihany koa fa tokony tsy hisy intsony ny fanagadrana mpanao gazety na inon na inona firehana tohanany sy misy azy. Miantso kosa ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay eo amin’ny fanatanterahana ny asany ao anatin’ny fitoniana sy ny fifanajàna ary ny lalàna hahafahantsika mitandro ny filaminana, ivelan’ny hevitra pôlitika. Fanitsakitsahana ankitsirano ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny fahalalahana haneho hevitra izay fototra roa lehibe ijoroan’ny demôkrasia io fanagadràna io, hoy ny Hetsika ROHY
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.