Politique

Hetsika politika sy famoriam-bahoaka Miatrana am-bava basy ny Fitondrana


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Mampiasa ny samboady sy ny zo omen’ny lalàna azy hanao tatitra sy ny mety ho kabary politika hataony eo anatrehan’ny raharaham-pirenena ireo solombavambahoaka avy amin’ny mpanohitra, saingy miatrana am-bava basy misakana izany ny fitondrana.

 

 Maneho ankilany fa ny lalàmpanorenana no manery azy ireo hanao tatitra, indrindra taorian’ny fivoriana nisesy teo anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna, saingy tsy te hahalala izany mpitondra. Mbola hialokalofana ny fepetra ara-pahasalamana, dia ny tsy fahafaha-mamory olona mihoatra ny 200, izay ny Filoham-pirenena no nandika an’io tany amin’ireo toerana rehetra nalehany, eny fa ny fanaovana arovava aza nisy fotoana izy tenany mihitsy no tsy nanao. Tsy mitombina noho izany ny filazana fa tena ny resaka ara-pahasalamana tokoa no antony hanakanana ny famoriam-bahoakan’ny mpanohitra, fa toa tahotra ara-politika tsotr’izao. Tena manao izay faraheriny hanakanana ny mety ho hetsika politika sy famoriam-bahoaka ny fanjakana. Inona marina no tena atahorana? Ka tsy ny mety ho fihoaram-pefy ve no sorohana fa tsy ny hetsika? Saika hanao hetsika tetsy Anosy manoloana ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ireo avy amin’ny Faritany 6 ny tapaky ny oktobra teo, milaza ho tsy mankasitraka ny fanilikilihana, saingy nosakanana. Namory vahoaka tamina toerana an’olon-tsotra (propriété privée) ny depiote TIM sy ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’io antoko io, ary ny avy amin’ny RMDM, fa voasakana tamin’ny basy ny 18 oktobra. Tahaka izany ihany koa ny tany Fianarantsoa ny sabotsy 31 oktobra teo. Tena miantrana am-bava basy ara-bakiteny ka asa mandra-pahoviana no mety ho fahombiazan’io? Efa nandeha ny fisamborana, fanagadrana, fanenjehana,… saingy miha miakatra hatrany ny maripana. Tsy tokony hanan-tahotra ny Fitondrana raha tena mahatsapa fa manao ny mety, fa matoa manao sakana sy mampiseho hery dia ao raha! Tena mahomby sy maharo ve anefa izany ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT