Politique

Hetsika politika Omeo alalana izay mahafeno fepetra, hoy ny SYNAD


  • Alarobia 15 Jona 2022

Nahitsy ny SYNAD (Syndicat National des Adminisitrateurs Civiles) tarihin’ny Filohany Paolo Raholinarivo omaly nanao fanambarana manoloana ny sakantsakana amin’ny hetsika politika,

fa tokony havela malalaka hanao izany izay rehetra mahafeno fepetra voarakitry ny ny lalàna na mpanohitra io na mpitondra. Averina ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy sy ny tsy fiandanan'ny Administratera sivily, ka mahazo fahazoan-dalana avokoa ireo antoko politika sy ireo rehetra te hanao hetsika ara-politika rehefa mahafeno ireo fepetra, araka ny toromarika tapak'ireo mpikambana ao anatin’ny SYNAD. Melohin’io Sendika io ireo solontenam-panjakana eny ifotony tsy manaiky manome alalana noho ny baiko ara-politika raha toa ka mahafeno fepetra ny hetsika. Tsy tokony hiandany amin’ny politika ny administrateera sivily, ary nahitsy i Paolo Raholinarivo nilaza fa misy ny tsindry ara-politika sy ny fitsabahana ara-politika, izay toherina marindrano. Tsy tokony hanatrika afatsy ireo lanom-panjakana ofisialy araka ny lalana intsony manomboka izao ireo Administratera sivily, hoy hatrany ny toromarika. Momba ny fitantanana firenena, nilaza ny SYNAD fa mila ampiharina ny lalàmpanorenana amin'ny famerenana ireo rafitra ara-dalàna ka hanaovana fifidianana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tahaka ny Governora, izay lasa manitsaka andraikitra amin'izao fotoana izao. Eken'ny SYNAD kosa ny hametrahana ny fitsarana manokana momba ny fananantany. Mila jerena manokana kosa ny mikasika ny fampidirana am-ponja mandeha ho azy na “MD systématique” ataon'ny fitsarana, hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT