Ny hamerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy no tanjona amin’ny hetsika
Harenantsika ireo nosy ireo izay ho tontosaina eny amin’ny Live hotel Andavamamba manomboka amin’ny 9 ora maraina ny sabotsy izao, hoy ny Profesora James Ratsima, izay isan’ny hitarika ny famelabelaran-kevitra anatin’izany. Ny tia tanindrazana rehetra no asaina anatin’izany ary tsy misy vidim-pidirana io, hoy izy. Ny tena fahaleovantenan’I Madagasikara ho amin’ireo nosy ireo no tanjona satria tsy azo iadian-kevitra fa antsika ireo nosy ireo. Ny fibodoan’ny olona ny tanintsika sy ny ranomasintsika ary ny harem-be anatiny dia efa niadianay hatramin’izay saingy ity dia hanasana ny olom-pirenena Malagasy rehetra hanome ny heviny. Tsy hihemotra izahay ary efa maro ny nambara momba ny fiantsiana nataon’ny frantsay ka na inona filazan’ireo dia antsika Malagasy ny nosy Malagasy. Resaka psikolojia mba handakana lavitra ny adihevitra, izany hoe, tsy te hiresaka amin’ny Malagasy fa te hibodo ny tanintsika fotsiny ny frantsay. Ho hazavainay amin’ny Malagasy rehetra, indrindra, ny tanora ny fahatsiarovanay tena ho manan-taranaka, raiamandreny ka manasa ny rehetra fa hahita famelabelaran-kevitra mbola tsy nataon’ireo fitondrana nifanesy isika. Fanampiana ho an’ny filoham-pirenena io, hoy hatrany ity hetsika ity, ka asakasany na ho tonga na tsia fa isan’ny efa nandefasana fanasana aloha izy.
J. Mirija
o
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.