Politique

Hetsika goavana tany Toliara Nampiseho ny heriny i Siteny


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Lanonambe goavana no nandraisana an’i Siteny Randrianasoloniaiko tao Toliara omaly, taorian’ny fahalaniany ho Filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo) sady Filoha lefitra ny Federasionina iraisam-pirenena amin’io taranja io.

Toa naneho ny tanjaka ananan’i Siteny amin’ny lafiny maro:fanatanjahantena, politika,… Vory lanona i Toliara ka ankoatra ny fanafanana nataon’ny mpanakanto maro toa an-dry Jerry Marcoss, Stéphanie, Mamy Gotso,… dia maro ireo manam-pahefana nanome voninahitra ny fotoana, toy ny Filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, Misitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona Nicolas Rabemananjara, Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad, Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, Depiote maro: Jean Jacques Rabenirina, Idealson, Marco Tsaradia, Milavonjy Philobert, Roland Ratsiraka,… Pr Raymond Ranjeva mivady, Pr Alain Tehindrazanarivelo,… “8 volana no nandehanako nivezivezy tany Afrika. Solombavambahoaka voafidy teto Toliara, ary tsy hanao kabary politika androany, fa lanonana noho ny fahalaniako no hatao”, hoy izy. Nankasitraka ireo rehetra nanohana azy toy ny Minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, ny Filoha Lefitry ny antenimierandoholona Nicolas Rabemananjara I Siteny Randrianasoloniaiko. Nitsiahiviny ny “Mouvement sportif”, izay isan’ny nahalany azy ho Filohan’ny Federasionin’ny judo, ka isan’ny nanetsika izany ary nitaiza azy tamin’ny fanatanjahantena i Ahmad Ahmad. Manana “coach” na mpanazatra ara-politika, dia i Monja Roindefo, Roland Ratsiraka, ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, izay mpiaro azy aty Afrika,… Raha manana “patron” aho, dia ny “patron” lehibe indrindra atahorako eto ambonin’ny tany dia ianareo vahoakan’i Toliara. Ny hampitombo ny saran’ny jirama manerana an’i Madagasikara. Amin’ity volana jolay ity, dia nametraka fanamby niaraka tamin’ny fitondram-panjakana dia ny fitovian’ny vidin-jiro manerana an’i Madagasikara, ary izay ihany no nangatahiko”, hoy i Siteny. Namaranany ny teniny hoe: “Reharehan’i Madagasikara ny fandresentsika”. “Rehareha fa ny zanak’ity Nosy ity no filohan’ny rafitra aty Afrika sy maneran-tany”, hoy kosa ny Pr Raymond Ranjeva.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT