Politique

Hetsika atao any Fianarantsoa Tsy noraisin’ny prefe ny delegasionin’ny TIM


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Tsy noraisin’ny prefen’i Fianarantsoa omaly ireo delegasionina hampahafantatra ny tatitra ataon’ny depiote mpanohitra ny fitondrana ao amin’ny Magro Fianarantsoa rahampitso sabotsy.

 Araky ny fanazavana nentin’ny mpikamban’ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Julien Andriamorasata, dia tokony handray izany anefa amin’ny lehiben’ny faritra azy ny prefe. Na resaka politika io na tsia mba hahafahany mandray fepetra mialoha. Delegasionina matanjaka izahay no avy any Antananarivo, hoy izy, nitalaho mba ho raisiny ary nampiandrasiny elabe teo. Nivoaka izy avy eo dia tsy nasiany dikany izahay fa efa hirava, hono izy. Te hampatsiahy sy hiangavy ireo zandry aho, hoy ity manam-pahaizana momba ny raharaham-panjakana ity, mba hanana fitondran-tenana mpiasam-bahoaka. Raiso ny olona na iza na iza fa manala baraka fanjakana. Lasa moa izy fa tafapetraka ny taratasy ka mino izahay fa hijery tsara izany sy ny lalana mifandraika aminy izy, hoy hatrany ity tekinisianina ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT