Politique

Hetsika ara-pinoana Alahady Taratry ny sary politika 2023…


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Hetsika ara-pivavahana roa samihafa no nanamarika ny andron’ny omaly alahady 19 jona 2022 teto Antananarivo Renivohitra.

Nisy ny fanasana nataon’ny Birao Foibe sy ny Filoham-piangonana ary ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy) Faritany Antananarivo Renivohitra niantefa tamin’ny vahoaka Kristianina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Fiaraha-niombom-bavaka sy fangataham-pitahiana ho an’ny firenena noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena 26 jona 2022 io, ka tao amin’ny Fiangonana EKAR Analamahitsy. Io omaly ny alahady 19 jona 2022 io ihany koa moa no daty niraisana amin’izany nanerana ny Nosy. Nifanindran-dàlana tamin’io ny antsam-piderana sy hetsika lehibe tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, izay nahitana ny Filoha Rajoelina sy ny mpikamban’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, ireo Filohana andrim-panjakana,… izany hoe: Fitondram-panjakana iray manontolo tamin’ny ankaobeny. Ho an’ny tetsy Analamahitsy io, tazana teny an-toerana ireo mpanao politika samihafa toa somary mirona kokoa amin’ny fanoherana. Isan’ny nanamarika izany ny sarin’Atoa Marc Ravalomanana, Rivo Rakotovao, ary Siteny Andrianasoloniaiko. Fotoam-pivavahana no resaka teto, saingy maro ny mandray izany ho misy lanjany sy misy dikany amin’ny politika, ary toa efa taratry ny 2023 ny endrika nisehoany. Ny filoha Rajoelina dia azo antoka 90% ny mbola hirotsahany. Izy telo mirahalahy mianaka tazana tetsy Analamahitsy dia tombanan’ny mpanara-baovao fa mety hanamarika ny fifidianana 2023 ihany koa. Maneho aloha sary fa mampiray sy mampiombona ny fiangonana, fa ny politika kosa no mampisara-bazana, fa ny olona tsy miady,... Tombanan’ny maro ho taratry ny rivotra politika ho avy ny sary niseho omaly. I Marc Ravalomanana efa hatry ny ela no naneho fa hanao ary matetika no nandrenesana azy nilaza fa ampy izay ny fandefarana ary tsy hanaiky intsony amin’ny halatra sy hosoka ara-pifidianana. Ny HVM efa naneho foana fa manana ny hambo-po hiverina eo amin’ny fitondrana. Hatreto, Atoa Hery Rajaonarimampianina no nanaovan’ny antoko antso ny mbola hirotsahany. Izy no laharana voalohan’ny antoko na tsy eto an-toerana aza, ary manaraka azy Atoa Rivo Rakotovao izay efa manana ny satany sy tombony manokana ho azy ihany koa tamin’ny naha filohana andrim-panjakana goavana roa azy dia ny naha Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy Filoham-panjakana azy. Atoa Siteny Randrianasoloniaika etsy andaniny, dia toa avy tao anatin’ny loko volomboasary no nivoaka. Malaza fa ho isan’ireo kandida Filoha amin’ny 2023. Efa niaraka tamin’ny HVM ihany koa, ary toa sady misy volomboasary no misy manga ireo olona tsikaritra niara-dia na miara-dia aminy.
ATAMBATRY NY FANOHERANA
Hatreto mitovitovy fijery, miombon-kevitra ao anatin’ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena aloha ny TIM sy ny HVM, ny Vondrona PANORAMA sy RMDM. Atambatry ny maha samy mpanohitra azy. Mety ho tonga ao anatin’io ihany koa ve i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany? Samy mijery ny rehetra hoe: hanao ahoana ny ho fihodin’ny politika ato ho ato hatramin’ny 2023? Mety ho tonga amin’ny fandrotsahana kandida iraisana hifanandrina amin-dRajoelina ve ny mpanohitra? Inona ihany koa no tokony ho anjara toeran’ny fiangonana mba hisorohana ny sakoroka sy ny krizy ara-politika mananontanona?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT