Manahirana ny Fitondrana ny hetsi-panoherana sy ny fitakiana samihafa mandeha amin’izao fotoana izao.
Tsy afaka ny hanangam-bovona sy hanamaivana hatrany ireny rehetra ireny. Sarotra ny miatrika an’io, ary misy fiantraikany any amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Lasa lany andro mandany ron-doha manakana ny hetsiky ny mpanohitra, mitady vahaolana amin’ny fitakiana sendikaly, mamaha ny olana ara-bola tsy voaloa ara-potoana,… Toa mitady hahomby ny tetikadin’ny mpanohitra ao anatin’ilay hoe: “opposition intelligente” na fanoherana am-paharanitan-tsaina. Lasa mihoa-pefy, manapatra fahefana, migafy, misambotra, tsy manja zon’olombelona,… ka manimba tena sy ratsy laza na ato anatiny na eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena. Manampy trotraka izany, dia mampiseho ny zava-misy, fa tsy ampy ny hoenti-manana ara-bola eo am-pelantanan’ny Fitondram-panjakana. Misy ny sehatra toa ampandeferina sy iandrasana hangotraka ny fitakiana vao mikorapaka hamaha olana: vatsim-pianarana, tambin-karaman’ny FRAM, volan’ny orinasa nanamboatra làlana,… Ny eo tsy mivaha, ny eo misosoka ihany, toy ny resaka vatsim-pianarana hitakian’ireo mpianatra fampitoviana ny famahana olana. Tsy dia handrenesana olana mihitsy kosa ny an’ny mpitandro filaminana izay mbola mety mitombo aza rehefa manao ireny hetsika fanakanana ny famoriam-bahoaka ara-politika ireny, ny mpiasam-panjakana sao sanatria hampikatso ny fampiodinan-draharaha,... fa misy ny iandrasana sakoroka vao mampikorapaka. Sasatry ny mandrindra sy mamono afo amin’ireny ny Fanjakana, ka adino ny zavatra maro, mikatso na mihisatra ny heverina fa progarama-mpandrosoana, izay midika fa tsy hisy zavatra handeha raha tsy ao anaty fitoniana. Ny Programa PEM, ohatra, dia tsy nisy tohiny intsony ny fampahafantarana noresahin-dRtoa Lova Hasinirina Ranoromaro Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika, fa ampahafantarina andro vitsy aorian’ny 19 janoary 2021, saingy tsy nisy tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.