Politique

Hetraketraka ara-pifidianana Mpametaka afisina kandida voadaroka


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Ny alin’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nisy nidaroka teny Andranoro ny mpametaka afisin’ny kandida tsy miankina iray ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

 

 

 Araka ny nambaran’ny traboina dia teo am-pametahana afisin’ity kandida tohanan’ny fikambanana Manangana Madagasikara Vaovao (MMV) ity ny tenany no nisy roalahy nidaroka tsy amin’ny antony ary ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana no nanavotra azy sy nanolotra ireo mpihetraketraka ny mpitandro filaminana. Nilaza moa ny filohan’ny MMV, Arlette Ramaroson sy ny kandida voakasiky ny raharaha, Andoniaina Andrianasolo fa efa mandeha ny fanadihadiana ary efa misy ny ahiahin’ny fikambanana. Tsy hipetra-potsiny manoloana izao fa hametraka fitoriana ary mangataka ny CENI handray andraikitra. Nisy kandida hafa tohananay ihany koa, hoy hatrany ny filohan’ny MMV, henonay fa nisy nanakenda tany Sambava ka dia miantso ny tompon’andraikitra mba tsy hijery fotsiny ny sotasota toy izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT