Ny pitsopitsony sy fombafomba ahazoana ny fankatoavan’ny Prefektioran ’ Antananarivo sisa andrasana, dia hihantra ny teti-bola nasiam-panitsian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Misongadina ny fitadiavam-bola amin’ny vahoaka hataon’ny CUA, izay miteraka adihevitra tsy hifankahitana amin’izao fotoana izao. Ho an’ny fanamboarana sy fanavaozana ny trano, ohatra, dia handoavana hetra 1500 Ar/m²; 1000Ar/m² kosa raha handoko trano na ivelany na anatiny, 1000 Ar/m² ny fanamboarana ny “dallage” ao anatin’ny trano, ary 1000 Ar/ m² tahaka izany ihany koa raha hanolo tafo. Nampiakarina 100 000 Ar ny hetra amin’ny fikarakarana jiro sy rano raha 65 000 Ar teo aloha. 10 000 Ar ny saran’ny fiterahana eny anivon’ireo CSB miisa 8 izay ny kaominina no handray an-tànana ny fitantanana azy. Fampanarahan-dalàna sy fampanarahana fenitra, toy ny hita any amin’ny firenen-dehibe no antony ho an’ny CUA. Ho famenoana ny kitapom-bolan’ny kaominina sy ho fanatanterahana ny veliranon’ny Ben’ny tanàna ihany koa. Ny hetra no loharanom-bolan’ny fanjakana, ankoatra ny famatsiam-bola sy fiaraha-miombon’antoka amin’ny tsy miakina na ny avy any ivelany. Somary miteraka adihevitra anefa ity toe-javatra ity na izany aza hoe: ho zakan’ny vahoaka efa sahirana ve? Sao dia fitadiavam-bola manara-penitra sy mihoampampana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.