Nanaovana resabe hatramin’izay ny fiainana manokan’ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny ankohonany.
Fony teo amin’ny fitondrana, dia efa saika isan’andro ny firesahana ny momba azy ireo. Tafiditra tao anatin’ny resa-politika sy voatonona hatrany Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Mety azo ekena ihany ny firesahana ny momba azy ireo fony teo amin’ny fitondrana amin’ny maha olom-panjakana ambony sy olo-malaza azy ireo. Vao niala teo amin’ny fitondrana kosa izy dia efa manana ny fiainany manokana tahaka ny olom-pirenena tsotra rehetra. Nisafidy ny nangina tanteraka sy tsy re feo mihitsy taorian’ny nialan’izy ireo teo amin’ny fitondrana. Nandeha ny resaka ary novoizina fatratra fa nisaraka izy mivady taorian’ny fialan’izy ireo teo amin’ny fitondrana. Voaporofo anefa amin’izao fa tsy misy an’izany velively. Navoakan’i Rija Tram mpandraharaha Malagasy iray eo amin’ny tontolon’ny sakafo malaza ao Frantsa fa niara-nisakafo saosisy Malagasy tao an-toerana Atoa Hery Rajaonarimampianina mivady, vao andro vitsy izay. Midika izany fa milamina ny fiainan’ity fianakaviana ity fa tsy arakaraka ny resaka niely hatramin’izay. Ny mpandinika sy mpanara-baovao politika ihany koa dia mahita fa tsy nisehoseho ho azy iny sary iny fa ao raha ary nahazo alalana avy tamin’izy mivady matoa afaka naseho ny daholobe. Azo heverina ve izany fa efa manomana ny fiverenany an-tanindrazana ny filoha teo aloha sy Ramatoa vadiny hiatrika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika ?
MANANA NY MAHA IZY AZY
Toeram-pisakafoanana malaza sy misongadina ao Lafrantsa ny an’i Rija Tram ary tena mahasarika olona maro, Malagasy sy vahiny. Mpandraharaha liana sy nilofo tamin’ny tontolon’ny nahandro, ka nitondra ny fanevan’i Madagasikara any ampitan-dranomasina amin’ny fanomezan-danja ny nahandro Malagasy toy ny koba, mofo baolina, mofo gasy, saosisy gasy,… Ankoatra ny maha mpahay lakozia sy nahandro tsy manam-paharoa na “traiteur hors-pair” azy, dia miavaka amin’ny resaka fanampiana amin’ny maha olona i Rija Tramm amin’ny alalan’ny tombony azony amin’ny asa sy fandraharahana. Ny taona 2008, dia nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fiantohana ireo delegasionina Malagasy nandray anjara tamin’ny Lalao olimpika tany Beijing Chine izy. Ny septambra 2018, dia tsaroana ny fanehoany hanampy ilay tovolahy kely antsoina hoe Mickael, izay maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny ray aman-dreniny sy ny anabavikeliny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.